-
Apokalypsy 5:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia nihira hira vaovao+ izy ireo hoe: “Mendrika handray an’ilay horonam-boky sy hamaha ny tombo-kaseny ianao. Efa novonoina ho faty mantsy ianao, ary ny ranao no nividiananao olona avy tamin’ny foko sy fiteny* sy vahoaka ary firenena rehetra,+ mba ho an’Andriamanitra.+ 10 Ary nataonao fanjakana+ sy mpisorona ho an’ny Andriamanitsika+ koa ireo, ka ho mpanjaka+ hitondra ny tany.”
-
-
Apokalypsy 20:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Nahita seza fiandrianana maro aho, ary nomena fahefana hitsara ireo nipetraka teo amboniny. Hitako izay novonoina* satria nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra. Tsy nivavaka tamin’ilay bibidia na tamin’ny sariny izy ireo, sady tsy nandray an’ilay marika teo amin’ny handriny sy teo amin’ny tanany.+ Ary velona izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy+ 1 000 taona.
-