FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 22:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tsy manana hery intsony aho, fa maina hoatran’ny silaka vilany tanimanga;+

      Miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako;+

      Entinao midina ao amin’ny vovoky ny fahafatesana aho.+

  • Isaia 53:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Noho ny fampahoriana* sy ny fitsarana, dia nesorina ny ainy.*

      Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?*

      Nesorina hiala tamin’ny tanin’ny velona izy.+

      Nokapohina* koa izy noho ny heloky ny vahoakako.+

  • Isaia 53:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Noho izany, dia homeko anjara miaraka amin’ny maro izy,

      Ka hifampizara babo miaraka amin’ny mahery.

      Fa nanome ny ainy izy ka maty mihitsy,+

      Ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna.+

      Nitondra ny fahotan’ny olona maro koa izy,+

      Sady nanelanelana mba hahasoa an’ireo mpandika lalàna.+

  • Daniela 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Aorian’ireo 62 herinandro ireo, dia hovonoina ny Mesia,+ ka tsy hanana na inona na inona intsony.+

      “Handrava an’ilay tanàna sy ny toerana masina ny tafiky ny mpitarika iray ho avy.+ Ary ho vita hatreo ny amin’izy io,* fa hisy tondra-drano. Hisy ady mandra-pahatongan’ny farany, ary hisy fandravana, araka ny didy navoaka.+

  • 1 Petera 2:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Izy no nitondra ny fahotantsika+ tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo,*+ mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,* fa ho velona kosa mba hanao ny marina. Ary “ny ratrany no nahatonga anareo ho sitrana.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara