-
Isaia 53:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Hitsiry toy ny rantsankazo+ eo anatrehany* izy, hoatran’ny faka maniry eny amin’ny tany karakaina.
Tsy mba hoatran’ny olo-manan-kaja no fahitana azy, sady tsy manana voninahitra izy.+
Tsy mba voasarika hanatona azy izahay rehefa mahita ny bika aman’endriny.*
3 Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy,+
Ary lehilahy nahalala fanaintainana,* sady nahafantatra tsara ny atao hoe aretina.
Hoatran’ny hoe nafenina anay ny endriny.*
Natao tsinontsinona izy, ary noheverinay ho tsy misy dikany.+
-