-
Asan’ny Apostoly 18:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Nipetraka tao amin’izy mivady izy ary niara-niasa tamin’izy ireo,+ satria nitovy ny asany. Mpanao tranolay mantsy no asa fiveloman’izy ireo.
-
-
1 Korintianina 9:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Toy izany koa fa nanome didy ny Tompo hoe tokony hivelona amin’ny vaovao tsara izay mitory ny vaovao tsara.+
15 Tsy nisy nampiasaiko anefa izany zo izany.+ Ary tsy hoe nanoratra an’ireo zavatra ireo aho mba hanaovana an’izany amiko, fa aleoko aza maty toy izay... Fa tsy misy olona havelako hanafoana ny antony ireharehako!+
-
-
2 Korintianina 11:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Rehefa teo aminareo anefa aho ary tao anatin’ny tsy fisiana, dia tsy lasa enta-mavesatra na ho an’iza na ho an’iza, satria nanome izay nilaiko ireo rahalahy avy eto Makedonia sady nanome ahy be dia be.+ Tena niezaka aho mba tsy ho enta-mavesatra ho anareo tamin’ny lafiny rehetra, ary mbola hiezaka hanao an’izany foana aho.+
-
-
1 Tesalonianina 2:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Tadidinareo tsara, ry rahalahy, hoe niasa mafy sy nikely aina aho. Niasa andro aman’alina mantsy izahay rehefa nitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra taminareo, mba tsy hampitondra enta-mavesatra an’iza na iza teo amin’ny lafiny ara-bola.+
-