-
Asan’ny Apostoly 8:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 I Saoly kosa nandravarava ny fiangonana. Nasesiny ny tranon’ireo mpino ka nidirany an-keriny, dia notaritaritiny hivoaka izy ireo na lahy na vavy, ary nataony am-ponja.+
-
-
Asan’ny Apostoly 9:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Mbola nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo ihany anefa i Saoly.+ Nankany amin’ny mpisoronabe àry izy, 2 dia nangataka taratasy mba haseho amin’ireo synagoga any Damaskosy. Amin’izay dia ho azony entina mifatotra hankany Jerosalema izay hitany manaraka Ny Lalana,*+ na lahy izany na vavy.
-
-
Filipianina 3:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Noforana tamin’ny andro fahavalo+ mantsy aho, avy tamin’ny firenen’Israely, avy tamin’ny fokon’i Benjamina, Hebreo nateraky ny Hebreo,+ ary Fariseo+ raha ny lalàna no resahina. 6 Raha ny hafanam-po no resahina, dia nanenjika ny fiangonana+ aho, ary raha ny amin’ny fankatoavana an’izay lazain’ny lalàna hoe marina, dia hita hoe tsy nisy tsiny aho.
-