-
Genesisy 48:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia nitso-drano an’i Josefa izy hoe:+
“Ry ilay tena Andriamanitra notompoin’i* Abrahama sy Isaka raiko,+
Ry ilay tena Andriamanitra, izay mpiandry ahy hatramin’izay niainako ka mandraka androany,+
16 Ilay nampiasa ny anjeliny hamonjena ahy tamin’ny loza rehetra,+ mba tahio ireto zaza ireto.+
Enga anie mba hantsoina eo amin’izy ireo ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko,
Ary enga anie ka ho lasa maro be eto ambonin’ny tany izy ireo!”+
-
-
Genesisy 48:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Mbola nitso-drano azy ireo ihany àry izy tamin’io andro io+ hoe:
“Enga anie hanonona ny anaranao ny Israely rehefa mitso-drano, ka hilaza hoe:
‘Hataon’Andriamanitra ho tahaka an’i Efraima sy ho tahaka an’i Manase anie ianao!’”
Koa i Efraima foana no nataony alohan’i Manase.
-