-
1 Mpanjaka 17:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Dia nohenoin’i Jehovah ny fangatahan’i+ Elia ka niverina ny ain’ilay ankizy, ary velona indray+ izy. 23 Dia noraisin’i Elia ilay ankizy, ka nentiny nidina avy tao amin’ilay efitra tany an-tampon-trano, ary nomeny an-dreniny tao an-trano. Dia hoy i Elia: “Io fa velona ny zanakao.”+ 24 Ary hoy ilay vehivavy tamin’i Elia: “Fantatro izao fa tena lehilahin’Andriamanitra ianao,+ ary marina ny tenin’i Jehovah lazain’ny vavanao.”
-
-
2 Mpanjaka 4:32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Tamin’i Elisa tonga tao amin’ilay trano, dia efa natsotra teo am-pandrianan’i Elisa ilay zaza maty.+
-
-
2 Mpanjaka 4:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Niakatra teo amin’ilay fandriana izy avy eo, ary nitsotra teo ambonin’ilay zaza, ka nataony teo amin’ny vavan’ilay zaza ny vavany, teo amin’ny masony ny masony, ary teo amin’ny felatanany ny felatanany. Dia niondrika teo amboniny elaela izy, ka nihanafana ny vatan’ilay zaza.+
-