-
Asan’ny Apostoly 15:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Rehefa avy niady hevitra be izy ireo, dia nitsangana i Petera ka nilaza hoe: “Ry rahalahy, fantatrareo tsara fa efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nifidy ahy teo aminareo, mba ho amin’ny alalako no handrenesan’ny hafa firenena ny tenin’ny vaovao tsara, ka hinoany.+
-
-
Kolosianina 1:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Mila manam-pinoana+ foana anefa ianareo vao hitranga izany, ary mila miorina tsara eo amin’ilay fototra,+ ka tsy mihozongozona+ na hoe lasa tsy manantena intsony* an’ilay vaovao tsara efa henonareo sady notorina tamin’ny zavaboary rehetra etỳ ambanin’ny lanitra.+ Ary lasa mpanompo mitory an’io vaovao tsara io izaho Paoly.+
-