-
Romanina 8:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Fantatsika fa ny zava-drehetra ataon’Andriamanitra dia ataony miara-miasa mba hahasoa an’izay tia azy, izany hoe izay nantsoiny mifanaraka amin’ny fikasany.+
-
-
Efesianina 1:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nanantena azy koa anefa ianareo rehefa avy naheno ny tenin’ny fahamarinana, dia ny vaovao tsara momba ny famonjena anareo. Ary rehefa nino ianareo, dia nasiana tombo-kase+ tamin’ilay fanahy masina nampanantenaina, ka i Kristy no nampiasain’Andriamanitra hanao an’izany. 14 Io fanahy masina io no antoka mialoha* fa hahazo an’ilay lova isika.+ Tian’Andriamanitra hafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana+ mantsy ny vahoakany,+ mba hoderaina sy homena voninahitra Izy.
-