-
Deoteronomia 17:2-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Andeha hatao hoe misy lehilahy na vehivavy eo aminareo, ao amin’ny iray amin’ny tanàna homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka manao izay ratsy eo imason’i Jehovah sady mivadika amin’ny fifanekena nataon’Andriamanitra.+ 3 Dia lasa manompo andriamani-kafa izy ary miankohoka amin’ireny, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana na amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ nefa zavatra tsy mba nandidiako izany.+ 4 Rehefa misy milaza aminao momba an’izany, na henonao izany, dia tokony hanadihady tsara ianao. Raha voaporofo fa nisy nanao+ an’izany zava-maharikoriko izany tokoa eo amin’ny Israely, 5 dia avoahy ho eny am-bavahadin’ny tanàna ilay lehilahy na vehivavy nanao an’izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.+
-
-
Romanina 16:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Mampirisika anareo aho, ry rahalahy, mba hanara-maso an’izay mampisy fisaratsarahana sy mahatonga ny hafa hiala amin’ny finoana. Mifanohitra amin’ny fampianarana efa henonareo mantsy izany ataony izany, ka halaviro izy ireny.+
-