FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 2:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Angataho amiko ireo firenena, dia homeko ho lovanao,

      Ary ny tany manontolo, fa homeko ho fanananao.+

       9 Hopotehinao amin’ny tehina vy+ ireny,

      Ary hotorotoroinao toy ny vilany tanimanga.”+

  • Matio 19:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Lazaiko marina aminareo fa amin’ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana 12 koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko 12 eo amin’ny Israely.+

  • Lioka 22:28-30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 “Ianareo anefa no nifikitra tamiko+ tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy.+ 29 Koa manao fifanekena aminareo aho, hoatran’ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, dia fifanekena momba ny fanjakana,+ 30 mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ao amin’ny Fanjakako+ ianareo, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana+ hitsara ny foko 12 eo amin’ny Israely.+

  • Apokalypsy 3:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Izay mandresy+ dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako,+ fa izaho koa efa nandresy ka miara-mipetraka+ amin’ny Raiko eo amin’ny seza fiandrianany.

  • Apokalypsy 20:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nahita seza fiandrianana maro aho, ary nomena fahefana hitsara ireo nipetraka teo amboniny. Hitako izay novonoina* satria nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra. Tsy nivavaka tamin’ilay bibidia na tamin’ny sariny izy ireo, sady tsy nandray an’ilay marika teo amin’ny handriny sy teo amin’ny tanany.+ Ary velona izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy+ 1 000 taona.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara