Joba
18 Dia namaly i Bildada+ Sohita hoe:
2 “Rahoviana ianareo* vao tsy hiteny zavatra hoatr’izany intsony?
Mba mahaiza aloha mandinika vao miresaka isika.
4 Na dia mamiravira ny tenanao aza ianao satria tezitra,
Dia tsy hisy mponina ve ny tany noho ny aminao,
Na hiala amin’ny toerany ve ny vatolampy?
5 Ho faty tokoa ny jiron’ny ratsy fanahy,
Ary tsy hazava ny lelafony.+
6 Tena hihamaizina ny hazavana ao amin’ny tranolainy,
Ary ho faty ny jiro eo amboniny.
7 Mihafohy ny dingan-dava ataony,
Ary ny heviny ihany no hahasolafaka azy.+
8 Fa hitarika azy ho ao anaty harato ny tongony,
Ary ho voasaringotr’ireo makarakara amin’ilay harato izy.
9 Hosamborin’ny fandrika ny voditongony;
Ho azon’ny vela-pandrika izy.+
10 Misy tady afenina eo amin’ny tany mba hamatotra azy,
Ary misy fandrika mivelatra eo amin’ny lalany.
11 Manodidina azy ny horohoro ka mampitahotra azy.+
Enjehin’izany izy sady arahiny akaiky.
13 Mihalò ny hodiny;
Lanin’ny aretina tena faran’izay mahafaty* ny rantsambatany.
14 Nilamina erỳ izy tao amin’ny tranolainy nefa esorina ao,+
Ary entina mankany amin’ny mpanjakan’ny horohoro.*
16 Ho maina ny fakany ao ambaniny,
Ary halazo ny sampany eny amboniny.
17 Tsy hotsaroana etỳ an-tany intsony ny momba azy,
Ary tsy hisy hahalala ny anarany intsony* eny an-dalana.
18 Hesorina hiala amin’ny mazava izy mba ho any amin’ny maizina,
Ary horoahina hiala eo amin’ny tany lonaka.
19 Tsy hanan-janaka na taranaka eo amin’ny fireneny izy,
Ary tsy hisy olona hiangana any amin’ny toerana ipetrahany.*
20 Rehefa tonga ny androny, dia hivarahontsana ny any Andrefana,
Ary hihorohoro ny any Atsinanana.
21 Izany no mitranga amin’ny tranolain’ny mpanao ratsy,
Sy amin’ny toerana misy an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra.”