FANONTANIANA 14
Inona no hanampy anao hitsitsy vola sy fananana?
“Hahantra izay tia fahafinaretana, ary tsy hanan-karena izay tia divay sy menaka.”
“Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.”
“Iza aminareo ... no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia? Raha tsy manao izany izy, dia mety hametraka ny fototra nefa tsy ho afaka hamita an’ilay tilikambo. Ary mety haneso azy izay rehetra mahita, ka hanao hoe: ‘Io lehilahy io nanomboka nanorina tilikambo, nefa tsy nahavita.’ ”
“Rehefa voky ny olona, dia hoy izy tamin’ny mpianany: ‘Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.’ ”