HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TESALONIANINA 1-3
Haharihary Ilay Lehilahy Tsy Tan-dalàna
Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ireo andininy ireo?
“Ilay zava-misakana” (and. 6): Mety ho ny apostoly
“Hampiharihariana” (and. 6): Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly dia tsy niafina intsony ireo Kristianina nivadi-pinoana, izay nampianatra zavatra diso sady nihatsaravelatsihy
“Ilay zava-miafina ny amin’io fandikan-dalàna io” (and. 7): Mbola tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona ilay lehilahy “tsy tan-dalàna”, tamin’ny andron’i Paoly
“Ilay tsy tan-dalàna” (and. 8): Amin’izao izy io dia manondro an’ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina
“[Ilay tsy tan-dalàna dia] haringan’i Jesosy Tompo ... amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany” (and. 8): Hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny tontolon’i Satana i Jesosy, ary anisan’izy io “ilay tsy tan-dalàna.” Hasehon’i Jesosy amin’izany hoe izy no Mpanjaka any an-danitra
Nahoana ireo andininy ireo no mahatonga anao hazoto hitory sy hiaiky hoe maika ny asa fitoriana?