HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | APOKALYPSY 17-19
Ilay Ady Hamarana ny Ady Rehetra
Antsoina hoe “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana” i Jehovah, ary i Jesosy indray antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana.” Nahoana àry i Jehovah no maniraka an’i Jesosy Zanany mba hiady?—2Ko 13:11; Is 9:6.
Tia ny fahamarinana i Jehovah sy Jesosy, ary mankahala ny ratsy
Tsy hiadana mihitsy ny olona ary tsy hanjaka ny rariny, raha tsy ringanina ny ratsy fanahy
‘Miady araka ny fahamarinana’ ny tafik’i Jehovah any an-danitra. Manaporofo an’izany ireo soavaly fotsy. Eo koa ny lamba rongony fotsy sy madio ary tena tsara
Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’io ady io?—Ze 2:3