NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tahafo i Josefa ka Andosiro ny Fijangajangana
Modely ho antsika i Josefa rehefa alaim-panahy haloto fitondran-tena isika. Nanda foana izy isaky ny nanasa azy hanao firaisana ny vadin’ny tompony. (Ge 39:7-10) Hoy izy tamin’ilay vehivavy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Hita avy amin’izany hoe efa nieritreritra ny fomba fihevitr’i Jehovah mahakasika ny fanambadiana izy. Nanampy azy izany rehefa mafy be ny fakam-panahy natrehiny. Tonga dia nandositra izy fa tsy nijanona teo. Tsy navelany hitaona azy hijangajanga ilay vehivavy.—Ge 39:12; 1Ko 6:18.
ALEFASO ILAY VIDEO HOE ANDOSIRO NY FIJANGAJANGANA, ARY VALIO IRETO:
Inona ny olana natrehin’i Jin?
Niangavy an’i Jin i Mee-Kyong mba hanampy azy amin’ny devoara matematika. Inona ny fanontaniana nosaintsainin’i Jin tamin’izay?
Inona ny vokatr’ilay fangatahan’i Mee-Kyong teo amin’i Jin?
Ahoana no nataon’i Jin mba hahazoana fanampiana?
Inona no nataon’i Jin mba handosirana ny fijangajangana?
Inona no nianaranao tamin’iny video iny?