18-24 Mey
GENESISY 40-41
Hira 8 sy Vavaka
Teny Fampidirana (1 min.)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Nanafaka An’i Josefa i Jehovah”: (10 min.)
Ge 41:9-13: Henon’i Farao hoe nahay namantatra ny hevitry ny nofy i Josefa (w15 1/2 14 § 4-5)
Ge 41:16, 29-32: Nampahafantarin’i Jehovah an’i Josefa ny dikan’ireo nofin’i Farao (w15 1/2 14 § 7)
Ge 41:38-40: I Josefa no lasa manam-pahefana faharoa ambony indrindra tany Ejipta (w15 1/2 15 § 3)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (10 min.)
Ge 41:14: Nahoana i Josefa no niharatra aloha vao niseho teo anatrehan’i Farao? (w15 1/11 9 § 1-3)
Ge 41:33: Inona no hitantsika avy tamin’ny fomba niresahan’i Josefa tamin’i Farao? (w09 15/11 28 § 14)
Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny harena miafina hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ge 40:1-23 (th lesona 2)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Video Fiverenana Mitsidika Voalohany: (5 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana: Inona no mampiseho hoe niara-nanomana an’ilay fitsidihana izy mivady? Ahoana no ahitana fa nanazava tsara an’ilay andinin-teny ilay rahalahy?
Fiverenana Mitsidika Voalohany: (4 min. na latsaka) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. (th lesona 11)
Fiverenana Mitsidika Voalohany: (5 min. na latsaka) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Omeo iray amin’ireo Fitaovana Fampianarana ilay olona avy eo. (th lesona 13)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tahafo i Josefa ka Miezaha Hiaritra Rehefa Iharan’ny Tsy Rariny: (6 min.) Alefaso ilay video hoe Ataovy Namanao i Jehovah: Miezaha Hiaritra na dia Iharan’ny Tsy Rariny Aza. Mifidiana ankizy vitsivitsy mialoha ary asaivo mankeny amin’ny lampihazo. Anontanio izy ireo hoe: Inona ny zavatra nampalahelo nahazo an’i Kaleba sy Sofia? Inona ny lesona nianaran’i Kaleba sy Sofia avy amin’ny tantaran’i Josefa?
Zavatra Ilain’ny Fiangonana: (9 min.)
Fianarana Baiboly: (30 min.) jy toko 115
Teny Famaranana (3 min. na latsaka)
Hira 124 sy Vavaka