HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 40-41
Nanafaka An’i Josefa i Jehovah
Andevo i Josefa ary avy eo nigadra. Izany no niaretany nandritra ny 13 taona teo ho eo, talohan’ny nanafahan’i Jehovah azy. Tsy hoe nitsetra tena anefa izy fa nanararaotra an’izany mba hanatsarana ny toetrany. (Sl 105:17-19) Fantany fa tsy hanary azy mihitsy i Jehovah. Tsy mora ny nahazo azy, nefa nanao izay tsara indrindra vitany foana izy. Ahoana no nataony?
Niasa mafy izy sady niezaka ny ho mendri-pitokisana. Nitahy ny ezaka nataony i Jehovah noho izany.—Ge 39:21, 22
Niezaka nanampy ny hafa izy, fa tsy variana nitady fomba hamaliana faty.—Ge 40:5-7
Nahoana ny tantaran’i Josefa no manampy ahy hiatrika olana?
Hanafaka ahy i Jehovah amin’ny Hara-magedona. Inona anefa no azoko atao, alohan’izay, mba ho afaka hanao izay tsara indrindra vitako aho?