NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ampiasao Ilay Boky sy Bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!
Faly be isika nahazo boky sy bokikely vaovao hitarihana fampianarana Baiboly. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika rehefa manao mpianatra. (Mt 28:18-20; 1Ko 3:6-9) Ahoana no fampiasana an’ireo fitaovana vaovao ireo?
Vaovao ny fomba fampianatra amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Araho àry ireto toromarika ireto rehefa manomana sy mitarika fampianarana amin’ilay boky ianao.a
Vakio ilay lesona ary iaraho midinika ny fanontaniana
Vakio ny andinin-teny misy hoe “vakio” ary ampio ilay mpianatra hahita ny fampiharana azy
Alefaso ireo video ary iaraho midinika ireo fanontaniana miaraka aminy
Ezaho vitaina indray mandeha ny lesona tsirairay
Rehefa manompo, dia ilay bokikely aloha atolotra mba hamantarana hoe liana ve ilay olona. (Jereo ilay efajoro hoe “Fanolorana ny Bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! eo Am-pitoriana.”) Rehefa vitanareo ilay bokikely, ka mbola te hanohy ilay olona, dia omeo an’ilay boky izy ary atombohy eo amin’ny lesona fahefatra. Raha mampianatra olona amin’ny boky Ianarana na “Fitiavan’Andriamanitra” ianao, dia afindrao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ilay fianarana ary ianao no mahita hoe aiza ho aiza no hanombohana azy.
JEREO ILAY VIDEO HOE FALY HIARA-MIANATRA BAIBOLY AMINAO IZAHAY. VALIO IRETO AVY EO:
Inona no hianaran’ilay mpianatra ao amin’ilay boky vaovao?
Nahoana ianao no tokony hampiseho an’io video io amin’ny mpianatra vaovao?
Inona avy no tanjona tokony hampirisihinao mba hananan’ilay mpianatra sy hotratrariny tsikelikely? (Jereo ilay tabilao hoe “Hevitra Hodinihina sy Tanjon’ny Mpianatra Amin’ny Fizarana Tsirairay”)
a FANAMARIHANA: Marina fa tsy voatery hodinihina mandritra ny fianarana ilay hoe “Jereo koa Ireto.” Jereo anefa ny loharanon-kevitra eo rehefa manomana ianao, amin’izay dia ho fantatrao hoe inona no mety hanohina ny fon’ilay mpianatra sy hanampy azy. Ahitana rohy mankany amin’ireo video sy lahatsoratra ilay boky amin’ny endrika elektronika.
HEVITRA HODINIHINA SY TANJON’NY MPIANATRA AMIN’NY FIZARANA TSIRAIRAY |
|||
---|---|---|---|
LESONA |
HEVITRA HODINIHINA |
TANJONA HO AN’NY MPIANATRA |
|
1-12 |
Manazava hoe nahoana no manampy anao ny Baiboly, ary ahoana no hahalalanao an’ilay nampanoratra azy |
Ampirisihina izy hamaky Baiboly, hanomana ny fianarana, ary hanatrika fivoriana |
|
13-33 |
Ahafantarana hoe inona no nataon’Andriamanitra ho antsika ary ahoana no tiany hanompoantsika azy |
Ampirisihina izy hiresaka ny fahamarinana amin’ny olona sy ho lasa mpitory |
|
34-47 |
Manazava an’izay takin’Andriamanitra amin’ny mpivavaka aminy |
Ampirisihina izy hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa |
|
48-60 |
Mianatra hoe inona no atao mba ho tian’Andriamanitra foana |
Ampianarina izy hahay hanavaka ny mety sy tsy mety, ary handroso ara-panahy |