FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?
Ampio ny Mpianatra Baiboly mba ho Naman’i Jehovah
Tian’i Jehovah raha manompo azy isika satria tia azy. (Mt 22:37, 38) Ho vitan’ny mpianatra Baiboly ny hanao ny fiovana ilaina rehefa tena tia an’i Jehovah izy, ary ho vitany koa ny tsy hivadika rehefa misy fisedrana. (1Jn 5:3) Lasa te hatao batisa izy rehefa tia an’i Jehovah.
Ampio ilay mpianatra mba hahita hoe tia azy i Jehovah. Azonao anontaniana izy, ohatra, hoe “Inona no ianaranao momba an’i Jehovah avy amin’izany?” na hoe “Nahoana izany no mampiseho hoe tia anao i Jehovah?” Ampio izy hahatakatra fa manao zavatra i Jehovah mba hampisehoana hoe tia azy. (2Ta 16:9) Tantarao azy ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaka nataonao, ary ampirisiho izy mba handinika ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataony. Faly be isika rehefa mahita hoe mamaly fitia an’i Jehovah ny olona ampianarintsika sady mampiseho hoe te ho namany.
JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO NY OLONA AMPIANARINAO BAIBOLY MBA HO NAMAN’I JEHOVAH. VALIO IRETO AVY EO:
Inona no olana natrehin’i Sendra?
Ahoana no nanampian’i Nita an’i Sendra?
Nahoana no vitan’i Sendra ny niatrika an’ilay olana?