FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?
Mahaiza Mametraka Fanontaniana
“Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ary tiany hankafy ny fanompoana isika. (1Ti 1:11) Ho faly kokoa isika rehefa manompo, raha miezaka manatsara ny fahaizantsika. Manampy antsika hanombo-dresaka ny fanontaniana. Mety hahatonga ny olona ho liana koa izy ireny, sady mandrisika azy hieritreritra sy hanatsoaka hevitra. (Mt 22:41-45) Mihevitra an’ilay olona ho sarobidy isika, raha mametraka fanontaniana ary avy eo mihaino ny valin-teniny. (Jk 1:19) Mety ho hitantsika amin’ny valin-teniny hoe ahoana no hanohizana an’ilay resaka.
JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: HATSARAO NY FAHAIZANAO... MAMETRAKA FANONTANIANA. VALIO IRETO AVY EO:
Inona no toetra tsara nananan’i Sendra?
Inona ny fanontaniana napetrak’i Nita mba hampisehoana hoe te hifandray tamin’i Sendra izy?
Inona ny fanontaniana napetrak’i Nita mba hahatonga an’i Sendra ho liana kokoa amin’ny vaovao tsara?
Inona ny fanontaniana napetrak’i Nita mba hanampiana an’i Sendra hieritreritra sy hanatsoaka hevitra?