FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?
Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra
Mahery ny Tenin’Andriamanitra! (He 4:12) Afaka manohina ny fon’ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra izy io. (1Te 1:9; 2:13) Tena mahafaly antsika ny mahita hoe faly be ny olona itoriantsika rehefa mahafantatra zava-baovao avy ao amin’ny Baiboly.
JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: HATSARAO NY FAHAIZANAO... MAMPIASA NY HERIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA. VALIO IRETO AVY EO:
Mampiasa ny herin’ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa manampy an’ilay olona hahita hoe ilaina ny mandinika ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana no nanaovan’i Nita an’izany?
Mampiasa ny herin’ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa asaintsika vakin’ilay olona amin’ny feo avo ilay andininy, ary asongadintsika ireo teny manohana ny hevi-dehibe. Ahoana no nanaovan’i Nita an’izany?
Inona no mampiseho hoe nanohina ny fon’i Sendra ny Tenin’Andriamanitra? Inona no mety ho vokatr’izany tamin’i Nita?