FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?
Raiso ny Fanampian’i Jehovah Amin’ny Alalan’ny Vavaka
I Jehovah no mahatonga ny voan’ny fahamarinana hamaka sy hitombo ao am-pon’ny olona. (1Ko 3:6-9) Tsy maintsy mitoky amin’i Jehovah àry isika raha te hahomby amin’ny fanompoana, ary mangataka azy hanampy antsika sy ny olona ampianarintsika.
Angataho i Jehovah mba hanampy an’ilay mpianatra hiaritra fitsapana. (Fi 1:9, 10) Ataovy voafaritra tsara ny vavaka ataonao. Mangataha fanahy masina mba hahaizanao misaina sy hahafantaranao izay tokony hatao rehefa manampy an’ilay mpianatra ianao. (Lk 11:13) Ampianaro mivavaka ilay mpianatra ary ampirisiho izy hivavaka. Miaraha mivavaka aminy, mivavaha ho azy, ary tonòny ny anarany.
JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: RAISO NY FANAMPIAN’I JEHOVAH: VAVAKA. VALIO IRETO AVY EO:
Inona no olana natrehin’i Nita rehefa nampianatra an’i Sendra izy?
Nahoana no nanampy an’i Nita ny 1 Korintianina 3:6?
Ahoana no nampilamina ny olana natrehin’i Nita?