NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Maninona Raha mba ‘Manokana Vola’?
Tsy tokony hanadino hanao fanomezana an-tsitrapo isika. Nilaza mantsy ny apostoly Paoly hoe tokony “hanokana vola” tsy tapaka ho amin’izany isika. (1Ko 16:2) Manampy antsika hanohana ny fivavahana marina sy ho faly ny fanaovana an’izany. Mety heverintsika hoe kely ny fanomezana omentsika. Tena faly anefa i Jehovah mahita antsika manome voninahitra azy amin’ny zava-tsarobidy ananantsika.—Oh 3:9.
JEREO ILAY VIDEO HOE MISAOTRA ANAO MANOKANA VOLA HATAO FANOMEZANA, ARY VALIO IRETO:
Inona no mahatsara an’ilay hoe mandinika mialoha ny fanomezana ataontsika?
Ahoana no ataon’ny olona sasany mba ‘hanokanana vola’ atao fanomezana?