FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.1 2
  • 8-14 Janoary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 8-14 Janoary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.1 2

8-14 JANOARY

JOBA 34-35

Hira 30 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Rehefa Misy ny Tsy Rariny

(10 min.)

Tadidio fa manao ny rariny foana Andriamanitra (Jb 34:10; wp19.1 8 § 2)

Hoatran’ny hoe afa-maina ny ratsy fanahy nefa tsy misy miafina amin’i Jehovah ny tsy rariny ataony (Jb 34:21-26; w17.04 10 § 5)

Raha tena te hanampy ny olona iharan’ny tsy rariny isika, dia mila mampianatra azy ireo momba an’i Jehovah (Jb 35:9, 10; Mt 28:19, 20; w21.05 18:19-20)

Mpivady mitory amin’ny lehilahy iray sy ny zanany lahy kely mipetraka amin’ny trano ratsy kely eny ambany tanàna, eny akaikin’ny trano avo be tsara tarehy.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Jb 35:7: Inona no tian’i Eliho holazaina rehefa niteny tamin’i Joba izy hoe: “Inona no [azon’Andriamanitra] avy aminao?” (w17.04 29 § 3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 1:3-7 (th lesona 10)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 10:3)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Atoroy amin’izay olona manan-janaka kely hoe ahoana no hahitany fanazavana ao amin’ny jw.org, izay hanampy azy hitaiza tsara ny zanany. (lmd 1:4)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 13:5 (lmd 11:3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 58

7. Inona no Handrisika Anao ‘Hitory’ Tsy Ara-potoana?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Anabavy iray mampiasa ny telefaoniny rehefa mitory amin’ny vehivavy iray ao anaty bisy.

Nampirisika an’i Timoty i Paoly hoe: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany.” (2Ti 4:2) Ilazana miaramila na mpiambina vonona hanao zavatra avy hatrany foana ilay matoanteny grika nadika hoe “ataovy tsy misy hataka andro.” Mety tsara izany mba hilazana hoe vonona foana isika ny hizara hafatra avy ao amin’ny Baiboly rehefa miresadresaka amin’olona.

Tia an’i Jehovah isika ary mankasitraka azy noho ny zavatra rehetra nataony ho antsika. Mandrisika antsika hiresaka momba ny toetra tsarany izany.

Vakio ny Salamo 71:8. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

Inona ny zavatra tsara momba an’i Jehovah tianao horesahina amin’ny hafa?

Mandrisika antsika hitory tsy ara-potoana koa ny fitiavantsika ny olona.

Alefaso ilay VIDEO hoe Fitoriana Kely Nanampy Olona An-jatony. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Nahoana ny fitoriana tsy ara-potoana no nanampy olona an-jatony hahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?

  • Inona ny soa noraisin’ireo mpiangona taloha rehefa nahafantatra ny fahamarinana ry zareo?

  • Nahoana no mandrisika antsika hitory tsy ara-potoana ny fitiavantsika ny olona?

  • Hitanao ve hoe mandaitra ny fitoriana tsy ara-potoana mba hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jehovah? Nahoana?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 30, 31, 32

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 138 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara