FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.1 3
  • 15-21 Janoary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 15-21 Janoary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.1 3

15-21 JANOARY

JOBA 36-37

Hira 147 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Nahoana no Azo Atokisana Ilay Fampanantenana Fiainana Mandrakizay?

(10 min.)

Velona mandrakizay i Jehovah (Jb 36:26; w22.12 49:3-4)

Mahery sy mahay i Jehovah, dia vitany ny mamelona antsika (Jb 36:27, 28; w20.05 21:6)

Ampianarin’i Jehovah antsika hoe ahoana no hahazoana fiainana mandrakizay (Jb 36:4, 22; Jn 17:3)



Raha tena mino ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny fiainana mandrakizay isika, dia hahavita hiatrika olana.​—He 6:19; w22.10 44:16.

Olona falifaly ao amin’ny Paradisa. Ankizy milalao liona, vehivavy iray mitondra harona misy legioma isan-karazany, mpivady iray mikarakara zaridaina, ary mpivady iray hafa maka aina eo amin’ny zaridaina.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Jb 37:20: Ahoana ny fomba nifampitan’ny olona vaovao sy hafatra tany Palestina fahiny? (it “Fampitana Vaovao sy Hafatra” § 1)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 2:1-5 (th lesona 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd 3:3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. (lmd 2:5)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Lahateny. ijwfq 57 § 5-15: Foto-kevitra: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Nenjehina Nandritra An’ilay Famonoana Tambabe Nataon’ny Nazia? (th lesona 18)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 49

7. Miomàna Hiatrika Fitsaboana na Fandidiana

(15 min.) Fiaraha-midinika. Ataon’ny anti-panahy.

Manome fitaovana manampy antsika hankatò ny lalàn’i Jehovah momba ny ra ny fandaminana. (As 15:28, 29) Mampiasa tsara azy ireny ve ianao?

Karatra Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana (FMF) sy Karatra Famantarana (ic): Mampahafantatra ny fanapahan-kevitr’ilay marary momba ny fampiasana ra amin’ny fitsaboana ireo karatra ireo. Azon’ny mpitory vita batisa alaina amin’ny mpikarakara boky ilay karatra FMF. Raha manan-janaka mbola tsy ampy taona izy, dia afaka maka an’ilay Karatra Famantarana ho azy ireo. Tokony ho eny amintsika foana ireo karatra ireo. Aza mangataka andro raha mila mameno azy io ianao na mila manova ny fanazavana ao anatiny.

Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401) sy Fanazavana ho An’ny Marary Mila Fandidiana na Manaraka Fitsaboana Simika (S-407): Hanampy antsika ho vonona hiatrika fitsaboana ny fanazavana ao anatin’ireo taratasy ireo, anisan’izany ny olana mifandray amin’ny resaka fampidiran-dra. Miresaha amin’ny anti-panahy mba hahazoanao an’izay taratasy ilainao raha bevohoka ianao, na mila fandidiana, na mitsabo kansera.

Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH): Anti-panahy nahazo fampiofanana ny rahalahy anisan’ny KMH. Afaka manome fanazavana mifandray amin’ny resaka ra amin’ny dokotera sy ny mpitory izy ireo. Afaka mifampiresaka amin’ny dokoteranao izy ireo momba ny fitsaboana hafa azo atao, amin’izay ianao tsy ampidiran-dra. Raha ilaina dia afaka manampy anao koa ry zareo mba hahita dokotera vonona hanaja ny fanapahan-kevitrao. Azo antsoina foana ry zareo na andro na alina. Aza mangataka andro fa miresaha amin’ny KMH raha mila miditra hopitaly ianao, na mila fandidiana, na manaraka fitsaboana hafa, ohatra hoe mitsabo kansera. Tokony hiresaka amin’izy ireo ianao na dia tsy misy olana amin’ny resaka fampidiran-dra aza. Tokony hanao an’izany koa ny anabavy bevohoka. Raha mila fanampiana ianao, dia angataho amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo ny nomerao ahazoana ny rahalahy anisan’ny KMH.

Alefaso ilay VIDEO hoe Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly: Ahoana no Hanampian’izy Ireo Anao? Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ity fanontaniana ity avy eo:

Ahoana no azon’ny KMH anampiana anao raha mila fitsaboana ianao na mila fandidiana?

EFA VONONA VE IANAO?

Raha miatrika fitsaboana ianao ka tadiavin’ny dokotera ampidiran-dra, dia...

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 33, 34

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 67 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara