FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.1 5
  • 29 Janoary–4 Febroary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 29 Janoary–4 Febroary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.1 5

29 JANOARY–4 FEBROARY

JOBA 40-42

Hira 124 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavatra Niainan’i Joba?

(10 min.)

Voafetra ihany ny zavatra fantatsika raha oharina amin’ny an’i Jehovah (Jb 42:1-3; w10 15/10 3-4 § 4-6)

Vonona hanaiky torohevitra avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany (Jb 42:5, 6; w17.06 25 § 12)

Hamaly soa antsika i Jehovah raha tsy mivadika isika na eo aza ny fitsapana (Jb 42:10-12; Jk 5:11; w22.06 27:17-18)

Joba mivady mitsangana eo amin’ny havoana iray, mifampijery sy mifampitsiky. Manondro ny biby fiompin-dry zareo sy ny tranony i Joba.

Namaly soa an’i Joba i Jehovah satria tsy nivadika taminy izy

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Jb 42:7: Iza, raha ny marina, no tena nesoin’ny naman’i Joba telo lahy, ary nahoana izany no manampy antsika hiaritra rehefa misy maneso? (it “Maneso”: “Esoina ny mpanompon’Andriamanitra” § 6)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 3:3, 4 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Tsy Kristianina ilay olona itorianao. (lmd 5:3)

5. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 13:6-7 sy ilay hoe Misy Miteny Hoe (lmd 11:4)

6. Lahateny

(4 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 2: Foto-kevitra: Tsy ho Potika Mihitsy ny Tany. (th lesona 13)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 108

7. Ampio ny Hafa Hahatsapa hoe Tia Azy i Jehovah

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Sary avy amin’ilay video hoe “Nomen’i Jehovah Fianakaviana Be Fitiavana Izahay.” Mimi sy ny mamany mitondra voninkazo sy karta kely ho an’ny anabavy iray marary ao amin’ny hopitaly.

Faly isika manompo an’ilay Andriamanitra be fitiavana. (1Jn 4:8, 16) Te ho lasa namany isika noho izany, ary te hifandray akaiky aminy foana. Ondrin’i Jehovah isika, dia tsapantsika hoe tia antsika izy.

Miezaka manahaka ny fitiavan’i Jehovah isika, dia asehontsika izany rehefa miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny mpiara-manompo ary ny olon-kafa. (Jb 6:14; 1Jn 4:11) Raha mampiseho fitiavana isika, dia lasa mahafantatra an’i Jehovah sy manatona azy ny olon-kafa. Fa raha tsy izany, dia tsy ho hitan-dry zareo hoe hoatran’ny ahoana ny fitiavan’i Jehovah.

Alefaso ilay VIDEO hoe Nomen’i Jehovah Fianakaviana Be Fitiavana Izahay. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

Ahoana no ahitantsika hoe zava-dehibe ny mampiseho fitiavana, rehefa jerena ny zavatra niainan’i Lei Lei sy Mimi?

Inona no azontsika atao mba hahatonga ny mpiara-manompo hahatsapa hoe tia azy i Jehovah?

  • Tadidio hoe ondry sarobidy izy ireo amin’i Jehovah.​—Sl 100:3

  • Ataovy mampahery ny teninao rehefa miresaka aminy.​—Ef 4:29

  • Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pony.​—Mt 7:11, 12

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 38, 39; Fampidirana ny Fizarana 7

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 126 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara