FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.5 3
  • 20-26 Mey

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 20-26 Mey
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.5 3

20-26 MEY

SALAMO 40-41

Hira 102 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Nahoana Isika no Tokony Hanampy ny Hafa?

(10 min.)

Mahafaly ny manampy ny hafa (Sl 41:1; w21.11 45:11, 12)

Ampian’i Jehovah izay tia manampy ny hafa (Sl 41:2-4; w15 15/12 24 § 7)

Manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa manampy ny hafa (Sl 41:13; Oh 14:31; w17.09 12 § 17)

Anabavy tanora manampy anabavy be taona hampiasa tablette.

SAINTSAINO IZAO: ‘Misy olona azoko ampiana mba hahay hampiasa kokoa ny JW Library ve eo anivon’ny fiangonana?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 40:5: Inona no hanampy antsika hahita sy hankasitraka ny fanampiana omen’i Jehovah antsika, rehefa miatrika fitsapana isika? (w23.01 3:17-18)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 12:1-4 (th lesona 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Izay olona hitanao hoe sariaka iresahana. (lmd 2:3)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Izay olona hitanao hoe malahelohelo iresahana. (lmd 3:5)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 14:6. Misalasala hanome valin-teny any am-pivoriana ny mpianatra Baiboly iray. Iaraho midinika aminy ny hevitra iray avy ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Miezaha Hifampahery Mandritra ny Fivoriana”. (th lesona 19)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 138

7. Manaova Soa Amin’ireo Be Taona

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Sarobidy amin’i Jehovah izay rehetra ataon’ny be taona eo anivon’ny fiangonana, ary tokony hankasitraka an’izany koa isika. (He 6:10) Niezaka mafy izy ireny nandritra ny taona maro mba hampianatra sy hampiofana ary hampahery ny mpiara-manompo. Mety ho tadidinao angamba ny fomba nanampian’izy ireny anao. Inona no azonao atao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay rehetra nataon’izy ireny sy izay mbola ataony eo anivon’ny fiangonana ianao?

Sary avy amin’ilay video hoe “Manaova Soa Amin’ny Mpiray Finoana.” Rahalahy sy anabavy manampy ny Rahalahy Ho-jin Kang hanamboatra ny simba eo ivelan’ny tranony.

Alefaso ilay VIDEO hoe ‘Manaova Soa Amin’ny Mpiray Finoana.’ Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Inona no nianaran’i Ji-Hoon avy amin’ny Rahalahy Ho-jin Kang?

  • Inona no itiavanao an’ireo be taona eo anivon’ny fiangonana?

  • Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy?

  • Nanasa olon-kafa hiaraka taminy i Ji-Hoon tamin’izy nanampy ny Rahalahy Ho-jin Kang. Nahoana no mety izany nataony izany?

Raha misaintsaina momba ny zavatra ilain’ireo be taona eo anivon’ny fiangonana isika, dia hahita fomba samihafa anampiana azy ireny. Rehefa hitanao àry hoe inona no ilainy, dia eritrereto izay azonao atao.​—Jk 2:15, 16.

Vakio ny Galatianina 6:10. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azonao atao raha te “hanao soa” amin’ny be taona eo anivon’ny fiangonana ianao?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb Fampidirana ny Fizarana 12; 74, 75, 76

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 8 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara