FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.5 4
  • 27 Mey–2 Jona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 27 Mey–2 Jona
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.5 4

27 MEY–2 JONA

SALAMO 42-44

Hira 86 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampianaran’Andriamanitra

(10 min.)

Miaraha amin’ny rahalahy sy anabavy rehefa manompo an’i Jehovah, ary miezaha hiaraka amin-dry zareo mivantana raha mbola azo atao (Sl 42:4, 5; w06 1/6 9 § 4)

Mivavaha alohan’ny hianatra Baiboly (Sl 42:8; w12 15/1 15 § 2)

Amin’ny zava-drehetra ataonao, dia avelao hitari-dalana anao ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly (Sl 43:3)

Anabavy mihaino tsara sady mandray an-tsoratra mandritra ny fivoriambe.

Manampy antsika hiatrika fitsapana ny fampianaran’Andriamanitra. Manampy antsika hanefa ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena koa izy io. ​—1Pe 5:10; w23.10 43:3, 4.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 44:19: Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “tany amin’ny fonenan’ny alikadia”? (it “Alikadia” § 3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) ll 12:5, 6 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 5:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(5 min.) ISAN-TRANO. Asao hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro ilay olona. Asehoy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? (aza alefa) ary iaraho midinika avy eo. (lmd 7:5)

6. Lahateny

(3 min.) lmd A:4: Foto-kevitra: Ho Salama Tsara Daholo ny Olona. (th lesona 2)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 21

7. Mahaiza Manapa-kevitra Amin’ny Resaka Asa sy Fianarana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Sary: Rahalahy tanora iray mamaky Baiboly dia mieritreritra an’izay hataony rehefa vita ny fianarany eny amin’ny lise. 1) Miresaka amin’ny mpanolo-tsaina any am-pianarany izy. 2) Manatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana izy. 3) Mitory any an-tany hafa izy.

Ry tanora, efa noeritreretinao ve hoe inona no hataonao rehefa vita ny fianaranao eny amin’ny lise? Misy asa efa noeritreretinao hoe hanampy anao hanao mpisava lalana angamba. Na koa ianao mety ho efa nandinika hoe inona ny fianarana fanampiny hataonao mba hahazoana fahaizana na diplaoma hoentina hanao an’izany asa izany. Faly erỳ izao ianao mieritreritra an’izany! Na izany aza, dia mety tsy ho hitanao izay atao satria be dia be ny safidy eo alohanao, na mety hahatsapa ianao hoe teren’ny olon-kafa handray fanapahan-kevitra. Inona àry no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara?

Vakio ny Matio 6:32, 33. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Nahoana no mahasoa antsika ny manana tanjona ara-panahy aloha vao mieritreritra ny hanao fanapahan-kevitra lehibe momba ny asa sy ny fianarana?

  • Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hampihatra ny Matio 6:32, 33?​—Sl 78:4-7

Tandremo sao ny faniriana te hahazo vola be mba hampiadana anao na ny faniriana te halaza, no mahatonga anao handray fanapahan-kevitra. (1Jn 2:15, 17) Tadidio fa matetika no sarotra amin’ny olona manam-bola ny manaiky ny hafatra momba an’ilay Fanjakana. (Lk 18:24-27) Raha mikatsaka vola sy harena ny olona iray, dia ho sarotra aminy ny handroso ara-panahy sy hahavita hampifaly an’i Jehovah.​—Mt 6:24; Mr 8:36.

Alefaso ilay VIDEO hoe Aza Miantehitra Amin’ny Hazo Boboka!: Vola. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Nahoana ny Ohabolana 23:4, 5 no manampy anao handray fanapahan-kevitra tsara?

SOSO-KEVITRA

  • Manàna tanjona ara-panahy: Tanjona azo tratrarina vetivety sy tanjona lavitra ezaka

  • Ataovy azo antoka hoe hanampy anao hanatratra ny tanjonao ara-panahy ny fianarana sy ny karazan’asa fidinao

  • Manaova fianarana izay hanampy anao hahita asa. Raha manapa-kevitra hanohy fianarana ianao na hanaraka fiofanana fanampiny, dia ataovy azo antoka hoe hahafahanao hahita asa hivelomana ilay izy

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 77, 78

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 47 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara