Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2024 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
6-12 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 36-37
“Aza Sosotra Amin’ny Ataon’ny Mpanao Ratsy”
w17.04 10 § 4
Inona no Tsy Hisy Intsony Rehefa Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?
4 Manao ahoana ny fiainantsika noho ny ataon’ny ratsy fanahy? Nilaza ny apostoly Paoly fa hisy “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” amin’ny andro farany. Nilaza koa izy fa “vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka.” (2 Tim. 3:1-5, 13) Tsy izany mihitsy ve izao no iainantsika? Maro amintsika no efa nijaly noho ny ataon’ny olona mahery setra, na mpanavakavaka, na mpanao heloka bevava. Ny sasany tsy manafina mihitsy hoe ratsy fanahy izy. Misy indray mamitaka, dia mody manao ny tsara. Na tsy isika aza anefa no ampijalin’izy ireny, dia misy vokany amintsika ny ataony. Malahelo be isika rehefa maheno ny zavatra mahatsiravina ataon’izy ireny. Mahery setra amin’ny ankizy sy ny zokiolona ary ny olon-kafa tsy afaka miaro tena izy ireny. Hoatran’ny ataon’ny bibidia na ny demonia mihitsy ny ataony. (Jak. 3:15) Soa ihany fa mampanantena i Jehovah hoe tsy ho hoatr’izany foana ny fiainana.
Vatosoa Ara-panahy
it “Tendrombohitra”: “Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana” § 10
Tendrombohitra
Tsy mihozongozona, maharitra, na avo. Tsy mihozongozona sy maharitra ny tendrombohitra. (Is 54:10; Ha 3:6; ampit. Sl 46:2.) Milaza ny mpanao salamo fa ‘toy ny tendrombohitr’Andriamanitra’ ny fahamarinan’i Jehovah. (Sl 36:6) Te hilaza angamba izy fa tsy azo hozongozonina ny fahamarinan’i Jehovah. Mety hidika koa anefa izany hoe ambony lavitra noho ny fahamarinan’ny olona ny an’Andriamanitra. Avo dia avo mantsy ny tendrombohitra. (Ampit. Is 55:8, 9.) Voalaza fa “tsy nisy tendrombohitra hita”, rehefa nararaka ny tao anatin’ny vilia fahafito tamin’ireo vilia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra. (Ap 16:20) Toa midika izany fa tsy misy afa-miala amin’ny fahatezeran’Andriamanitra, na dia izay avo toy ny tendrombohitra aza.—Ampit. Je 4:23-26.
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Lahateny
ijwbv 45
Salamo 37:4: “Aoka NY TOMPO no Iravoravoanao”
“Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”—Salamo 37:4, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”—Salamo 37:4, Baiboly Dikanteny Protestanta Malagasy.
Inona no tian’ny Salamo 37:4 holazaina?
Mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra ilay mpanao salamo hoe tokony ho faly izy ireo satria mifandray akaiky aminy. Afaka matoky izay rehetra minamana amin’i Jehovah Andriamanitra hoe hotanterahin’i Jehovah ny zavatra tsara iriny.
“Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah.” Azo adika koa izy io hoe “ataovy mahafaly be anao i Jehovah”, “aoka ianao ho faly manompo ny TOMPO”, na hoe “mifalia amin’izay nampanantenain’ny TOMPO anao.” Raha tsorina dia hoe tokony ‘hahafaly be’ antsika ny manompo an’ilay tena Andriamanitra. (Salamo 37:4, fanamarihana ambany pejy) Nahoana isika no milaza an’izany?
Lasa manana ny fomba fihevitr’i Jehovah hita ao amin’ny Baiboly ny olona manompo azy. Tsy hoe mahafantatra an’Andriamanitra fotsiny izy ireo fa hendry koa ka mankatò azy. Inona no vokany? Manana feon’ny fieritreretana madio foana izy ireo sady misoroka olana be dia be. (Ohabolana 3:5, 6) Tsy tezitra na mitsiriritra, ohatra, izy ireo rehefa mahita hoe hoatran’ny mahomby ny olona tia vola sy tsy manao ny marina. (Salamo 37:1, 7-9) Faly ny vahoakan’Andriamanitra satria fantany hoe kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra ny tsy rariny rehetra ary hovaliany soa izay manao ny tsara. (Salamo 37:34) Tena faly koa izy ireo mahafantatra hoe mankasitraka azy ireo ilay Rainy any an-danitra.—Salamo 5:12; Ohabolana 27:11.
13-19 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 38-39
Aza Manamelo-tena Be Loatra Intsony
w02 15/11 20 § 1-2
Ahoana no Hampisy Vidiny ny Androntsika eo Anatrehan’i Jehovah?
TOA vitsy sy mihelina fotsiny ny androm-piainantsika. Nisaintsaina ny hafohin’ny fiainana i Davida mpanao salamo, ka voatosika hivavaka hoe: “Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. Indro, efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko; ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao.” Naniry hanana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra i Davida, na tamin’ny teny izany na tamin’ny atao. Niaiky izy fa niankina tamin’Andriamanitra, ka nilaza hoe: “Hianao no antenaiko.” (Salamo 39:4, 5, 7) Nihaino azy i Jehovah ary tena nandinika ny asany sy namaly soa azy araka izany.
Mety ho sahirana foana isika mandritra ny andro, ary mety ho revo tanteraka amin’ity fiainana mihazakaza-dava sy feno zavatra atao ity. Mety hanjary hanahy mafy àry isika, indrindra satria maro be ny zavatra tokony hatao sy hianarana, nefa ny fotoana kely dia kely. Mitovy amin’ny an’i Davida ve ny zavatra ahintsika, dia ny hanana fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra? Azo antoka fa mijery sy mandinika tsara ny tsirairay amintsika i Jehovah. Tokony ho 3 600 taona lasa izay, dia niaiky i Joba, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, fa nahita izay nataony sy nandinika ny asany rehetra i Jehovah. Nanontany tena izy hoe: “Ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?” (Joba 31:4-6, 14) Afaka mampisy vidiny ny androntsika eo anatrehan’Andriamanitra isika, raha mametraka ny zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany, mankatò ny didiny, ary mampiasa ny fotoanantsika amim-pahendrena. Andao hodinihintsika akaiky ireo lafin-javatra ireo.
w21.10 15 § 4
Tianao Haverina Amin’ny Laoniny ve ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah?
Miresaha matetika amin’ilay Rainao any an-danitra. Azony hoe mety ho sarotra aminao ny hivavaka aminy, noho ianao manamelo-tena be foana. (Rom. 8:26) Na izany aza, dia “mahareta amin’ny vavaka”, ary lazao aminy hoe tena te hinamana aminy ianao. (Rom. 12:12) Izao no notantarain’i Andrej: “Nanamelo-tena be aho sady nahatsiaro ho afa-baraka. Maivamaivana anefa aho isaky ny avy nivavaka. Lasa nilamin-tsaina kokoa aho.” Ahoana anefa raha tsy hitanao izay horesahina? Mety hanampy anao ny vavaka nataon’i Davida Mpanjaka rehefa nibebaka izy. Ao amin’ny Salamo faha-51 sy faha-65 izany.
20-26 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 40-41
Nahoana Isika no Tokony Hanampy ny Hafa?
w15 15/12 24 § 7
Hanohana Anao i Jehovah
7 Hampahery sy hanome fahendrena ary hanohana antsika anefa i Jehovah raha marary isika. Efa nanao an’izany tamin’ny mpanompony fahiny izy. Hoy i Davida Mpanjaka: “Sambatra izay miahy ny mahantra, fa i Jehovah hamonjy azy amin’ny andro mahory. I Jehovah hiaro azy sy hitsimbina ny ainy.” (Sal. 41:1, 2) Midika ve izany hoe nisy fahagagana ka tsy maty mihitsy ny olona niahy ny mahantra tamin’ny andron’i Davida? Tsia. Maty ihany izy ireny tatỳ aoriana. Midika kosa io andininy io hoe hanampy an’izay tia miahy ny mahantra i Jehovah. Hoy ihany i Davida: “I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany. Hikarakara azy eo amin’ny farafarany ianao, mandritra ny fotoana aharariany.” (Sal. 41:3) Afaka natoky àry ny olona niahy ny mahantra fa hitan’i Jehovah ny manjo azy ary tsy hadinony ny zavatra nataony. Mety hihasalama koa izy ary ho sitrana amin’ny farany. Nataon’i Jehovah mihasitrana ho azy mantsy ny vatan’olombelona.
w17.09 12 § 17
Miezaha Hahay Hangoraka toa An’i Jehovah
17 Marina fa handray soa isika raha mangoraka. Tsy izany anefa no tena mahatonga antsika hiezaka hanana an’io toetra io. Mangoraka kosa isika satria te hanahaka sy hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana sy mangoraka. (Ohab. 14:31) Nanome modely tonga lafatra izy. Aoka àry isika rehetra samy hiezaka hanahaka an’i Jehovah ka hangoraka. Hifankatia tsara daholo isika amin’izay, ary hifandray tsara amin’ny olon-kafa koa.—Gal. 6:10; 1 Jaona 4:16.
27 MEY–2 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 42-44
Mandraisa Soa avy Amin’ny Fampianaran’Andriamanitra
w06 1/6 9 § 4
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana II
42:4, 5, 11; 43:3-5. Raha tafasaraka vetivety amin’ny fiangonana kristianina isika, noho ny antony tsy miankina amintsika, dia hanohana antsika ny fitadidiana ny fiarahana nahafaly tamin’ireo rahalahy. Mety ho vao mainka hahatsiaro ho manirery isika, amin’ny voalohany. Hampahatsiahy antsika anefa izany fa Andriamanitra no aro ho antsika, ary mila miandry azy isika mba hahazoana fanamaivanana.
w12 15/1 15 § 2
Ataovy Mahafinaritra sy Mahasoa Kokoa ny Fianaranao
1 MIVAVAKA: Io no dingana voalohany, satria anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny fianarana ny Teniny. (Sal. 42:8) Mila mangataka amin’i Jehovah isika mba hanokatra ny saintsika sy ny fontsika, ary hanome antsika ny fanahy masina. (Lioka 11:13) Hoy i Barbara, misionera efa ela: “Mivavaka foana aho isaky ny hamaky na hianatra Baiboly. Tsapako avy eo hoe manampy ahy i Jehovah, sady mankasitraka ny fianarana ataoko.” Rehefa mivavaka isika alohan’ny hianatra, dia manjary misokatra tsara ny saintsika sy ny fontsika, ka vonona handray ny sakafo ara-panahy be dia be omena antsika.
Vatosoa Ara-panahy
it “Alikadia” § 3
Alikadia
Manana heviny an’ohatra matetika ny hoe alikadia ao amin’ny Baiboly. Nahatsiaro ho ory dia ory i Joba ka nilaza fa “lasa rahalahin’ny alikadia” izy. (Jb 30:29) Miangona amin’ny toerana nisy ady ny alikadia mba hihinana an’ireo voavono (ampit. Sl 68:23), ka izany angamba no nampitaraina ny mpanao salamo toy izao rehefa resy ny vahoakan’Andriamanitra: “Notorotoroinao tany amin’ny toerana iangonan’ny alikadia izahay.” (Sl 44:19) Mosarena ny mponin’i Jerosalema izay nataon’i Babylona fahirano (607 T.K.), ka lasa lozabe tamin’ny zanany ny reny. Lozabe “ny oloko”, hoy i Jeremia, tsy mba hoatran’ny alikadia vavy mikarakara ny zanany.—Ft 4:3, 10.
3-9 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 45-47
Hira Momba ny Fampakaram-badin’ny Mpanjaka Iray
w14 15/2 9 § 8-9
Mifalia Amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!
8 Vakio ny Salamo 45:13, 14a. “Be voninahitra” na tena tsara tarehy ilay ampakarina, rehefa tonga ao amin’ilay fampakaram-bady. Oharina amin’ny tanàna antsoina hoe Jerosalema Vaovao izy ao amin’ny Apokalypsy 21:2. Voalaza ao fa “mihaingo hihaona amin’ny vadiny” izy. Manana ny “voninahitr’Andriamanitra” io tanàna any an-danitra io, ary manjelatra ‘toy ny vatosoa faran’izay tsara, dia tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly.’ (Apok. 21:10, 11) Kanto erỳ ny fomba ilazan’ny Apokalypsy ny hatsaran’i Jerosalema Vaovao. (Apok. 21:18-21) Tsy mahagaga raha nilaza ilay mpanao salamo fa “be voninahitra” ilay ampakarina. Any an-danitra rahateo ilay fampakaram-bady.
9 Ny Mesia Mpanjaka ilay Mpampakatra itondrana an’ilay ampakarina. Efa nanomana an’ilay ampakarina izy, ka ‘nanadio azy tamin’ny rano fandroana, amin’ny alalan’ny teny.’ “Masina sy tsy misy tsiny” ilay ampakarina. (Efes. 5:26, 27) Tena mifanentana amin’ilay raharaha koa ny fitafiany. ‘Voaravaka volamena ny akanjony’, ary “akanjo tsara tenona no hanaovany, rehefa hoentina eo amin’ny mpanjaka izy.” “Navela hanao akanjo vita amin’ny lamba rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara ravehivavy. Tsy inona ilay lamba rongony tena tsara fa ny asa marina nataon’ny olona masina.”—Apok. 19:8.
it “Ady, II”: “Ady ataon’i Kristy, ilay ‘Mpanjakan’ny mpanjaka’” § 5
Ady
Hanjaka eto an-tany ny fiadanana mandritra ny 1 000 taona. Milaza ny salamo fa “mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany [i Jehovah]. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.” Tanteraka voalohany tamin’ny Israely izany rehefa nopotipotehin’i Jehovah ny fitaovam-piadian’ny fahavalon’izy ireo, ka nandry feizay izy ireo. Handry feizay koa ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany, rehefa mandresy an’ireo tia ady i Kristy amin’ny Hara-magedona. (Sl 46:8-10) Hanefy ‘ny sabany ho angadinomby sy ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka’ ireo hiaina mandrakizay eto an-tany, ary tsy “hianatra ady intsony.” “Fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.”—Is 2:4; Mi 4:3, 4.
Vatosoa Ara-panahy
w17.04 11 § 9
Inona no Tsy Hisy Intsony Rehefa Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?
9 Hosoloana inona ireo fikambanana na antoko manao ratsy? Mbola hisy fikambanana ihany ve aorian’ny Hara-magedona? Hoy ny Baiboly: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (2 Pet. 3:13) Fitondram-panjakana vaovao ilay “lanitra vaovao”, ary i Jesosy Kristy sy ny 144 000 no ho mpitondra ao amin’izy io. Ny “tany vaovao” kosa dia ny vahoakan’izy io eto an-tany. Tsy ho eo intsony ny lanitra sy ny tany taloha, izany hoe ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao sy ny vahoakany. Ho voalamina tsara ilay “tany vaovao.” Hanahaka ny toetran’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny filaminana, mantsy i Jesosy sy ireo hiara-mitondra aminy. (1 Kor. 14:33) Hisy lehilahy tsara toetra ho lasa mpiandraikitra koa amin’izay, ary i Jesosy sy ireo 144 000 no hanome tari-dalana azy ireo. (Sal. 45:16) Eritrereto ange e! Ho ringana daholo ny fikambanana manao ratsy, ary fikambanana iray ihany no ho solony. Hiray saina daholo ny olona ao aminy sady hanao ny tsara foana.
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Hazavao ny Zavatra Inoanao
g 12/10 22-23
Ahoana no Hanazavako Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Vehivavy?
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy? Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany no avelan’Andriamanitra hanao firaisana. (Genesisy 1:27, 28; Levitikosy 18:22; Ohabolana 5:18, 19) Rehefa manameloka ny fijangajangana ny Baiboly, dia tafiditra amin’izany ny firaisan’ny samy lehilahy sy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy.—Galatianina 5:19-21.
Raha misy manontany hoe: “Ahoana no fahitanao ny firaisan’ny samy lehilahy?”
Dia azonao valiana hoe: “Tsy ilay olona no tsy tiako fa ny fitondran-tenany.”
✔ Tadidio fa raha mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ianao, dia fiainanao izany ary zonao ny mifidy izany. (Josoa 24:15) Sahia mijoro amin’ny hevitrao.—Salamo 119:46.
Angaha ny Kristianina tsy tokony hanaja ny olona rehetra, na dia ny lehilahy miray amin’ny lehilahy aza? Tokony, satria hoy ny Baiboly: “Hajao ny karazan’olona rehetra.” (1 Petera 2:17) Tsy mankahala ny lehilahy miray amin’ny lehilahy àry ny Kristianina. Tsara fanahy amin’ny rehetra izy ireo, ary tsara fanahy amin’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy koa.—Matio 7:12.
Raha misy manontany hoe: “Tsy mampirisika ny olona hanavakavaka an’ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy ve ny fomba fihevitrao?”
Dia azonao valiana hoe: “Tsy izany mihitsy! Ny ataony no tsy tiako, fa tsy izy.”
✔ Afaka milaza koa ianao hoe: “Izaho koa izao nifidy ny tsy hifoka sigara. Tena maharikoriko ahy izany. Eritrereto anefa hoe mpifoka ianao, ary tsy mitovy hevitra amiko. Tsy hanavakavaka anao noho ny hevitrao aho, ary mino aho fa tsy hanavakavaka ahy noho ny hevitro koa ianao. Sa tsy izany? Hoatr’izany koa ny fandraisako ny hevitsika tsy mitovy.”
10-16 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 48-50
Ry Ray Aman-dreny, Ampio Hatoky Kokoa ny Fandaminan’i Jehovah ny Mpianakavinareo
w12 15/8 12 § 5
Asehoy fa Vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra Ianao!
5 Mianatra ny tantarany. Mety hasain’ny firenena sasany hianatra ny tantarany koa ny olona te hahazo ny zom-pireneny. Toy izany koa fa mila mianatra ny zava-drehetra momba ny Fanjakan’Andriamanitra izay maniry ho olom-pirenen’izy io. Diniho ny ohatra navelan’ireo zanak’i Kora. Tian’izy ireo i Jerosalema sy ny toeram-pivavahana tao, ary tian’izy ireo ny niresaka ny tantaran’i Jerosalema. Tsy ny hakanton’ilay tanàna fotsiny no nahatonga azy ireo ho tia an’i Jerosalema, fa noho izy io tanànan’i Jehovah ilay “Mpanjaka Be Voninahitra.” Tao ihany koa no foiben’ny fivavahana marina, sy nianarana momba ny Lalàn’i Jehovah. I Jehovah tokoa mantsy no tena Mpanjakan’i Jerosalema, ary izay vahoaka teo ambany fifehezany no nanehoany hatsaram-panahy feno fitiavana. (Vakio ny Salamo 48:1, 2, 9, 12, 13.) Maniry hianatra ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah sy hiresaka izany amin’ny hafa koa ve ianao, toy ny nataon’ireo zanak’i Kora? Arakaraka ny ianaranao momba ny fandaminana sy ny fomba anampian’i Jehovah ny vahoakany, dia vao mainka tena hisy aminao ny Fanjakan’Andriamanitra. Vao mainka koa ianao te hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Jer. 9:24; Lioka 4:43.
Vatosoa Ara-panahy
it “Harena”: “Ho nanan-karena ny Israely raha nankatò” § 4
Harena
Nanana ny ampy ny firenen’Israely ka faly nihinana sy nisotro (1Mp 4:20; Mpto 5:18, 19), ary niaro azy tsy ho sahirana hoatran’ny mahantra ny harenany. (Oh 10:15; Mpto 7:12) Tian’i Jehovah hanan-karena ny Israelita rehefa niasa mafy (ampit. Oh 6:6-11; 20:13; 24:33, 34), kanefa nampitandremany koa sao hanadino hoe Izy no nampanan-karena azy ireo, ka hitoky amin’ny harena. (De 8:7-17; Sl 49:6-9; Oh 11:4; 18:10, 11; Je 9:23, 24) Nampahatsiahivina izy ireo hoe mihelina ihany ny harena (Oh 23:4, 5), tsy azo omena an’Andriamanitra hanavotana olona tsy ho faty (Sl 49:6, 7) ary tsy ilain’ny maty (Sl 49:16, 17; Mpto 5:15). Mety hamitapitaka izay tia harena, ka tsy hankasitrahan’i Jehovah. (Oh 28:20; ampit. Je 5:26-28; 17:9-11.) Nampirisihina kosa ny Israelita ‘hanome voninahitra an’i Jehovah tamin’ireo zava-tsarobidy nananany.’—Oh 3:9.
17-23 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 51-53
Inona no Azonao Atao mba Tsy Hanao Fahadisoana Lehibe?
w19.01 14 § 4-5
Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?
4 Tsy fo ara-bakiteny ilay resahin’ny Ohabolana 4:23. Ny tiana holazaina amin’izy io dia ny eritreritsika, ny faniriantsika, ny fihetseham-pontsika, ary ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Ny tena maha izy antsika no atao hoe fo, fa tsy izay miseho amin’ny ataontsika fotsiny.
5 Tena zava-dehibe io fo io, ary mila karakaraina tsara. Eritrereto izay ataontsika mba hikarakarana ny fahasalamantsika. Mihinana sakafo mahasalama isika, dia mampiasa vatana matetika. Dia hoatr’izay koa no tokony hataontsika mba hikarakarana ny fontsika, izany hoe ny tena maha izy antsika. Mila misakafo ara-panahy tsara isika, sady mila mampiseho ny finoantsika an’i Jehovah. Manao an’izany, ohatra, isika rehefa mampihatra an’izay nianarantsika sy miresaka momba an’izay inoantsika. (Rom. 10:8-10; Jak. 2:26) Ankoatra izay, dia mety ho salama tsara ny fahitana ny olona iray, nefa any anatiny any efa misy aretina. Hoatr’izany koa fa mety hanana fahazarana tsara isika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia mieritreritra hoe matanjaka tsara ny finoantsika. Any anatintsika any anefa mety ho efa misy fanirian-dratsy mitombo. (1 Kor. 10:12; Jak. 1:14, 15) Tadidio hoe tian’i Satana hitovy toe-tsaina aminy isika. Ahoana no anaovany an’izany? Ary inona no azontsika atao mba ho voaro?
w15 15/6 14 § 5-6
Azo Atao ve ny hoe Hadio Fitondran-tena Foana?
5 Mivavaha foana amin’i Jehovah hoe te handresy eritreri-dratsy ianao. Tena matoky azy ianao raha manao an’izany. Hanatona anao izy raha manatona azy amin’ny alalan’ny vavaka ianao. Homeny fanahy masina ianao, ka vao mainka ho tapa-kevitra ny hadio fitondran-tena foana sy tsy hieritreri-dratsy. Lazao azy àry fa tena te hampifaly azy ianao, ka te hisaintsaina zavatra tsara. (Sal. 19:14) Manetry tena ve ianao, ka miangavy azy handinika sao misy “lalana mampahory” ao anatinao ao, izany hoe fanirian-dratsy mety hahatonga anao hanota? (Sal. 139:23, 24) Mitalaho amin’i Jehovah foana ve ianao mba hanampy anao tsy ho resin’ny fakam-panahy?—Mat. 6:13.
6 Tia nanao zava-dratsy angamba isika talohan’ny nanompoantsika an’i Jehovah, ary mbola te hanao an’ilay izy ihany indraindray. Afaka manampy antsika hiova anefa i Jehovah, ka hampifaly azy foana ny fanompoantsika. Niangavy an’i Jehovah toy izao, ohatra, i Davida Mpanjaka rehefa avy nijangajanga tamin’i Batseba: ‘Amorony fo madio aho, ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miovaova.’ (Sal. 51:10, 12) Mety ho tena te hanao zava-dratsy isika, nefa afaka manampy antsika hanana toe-tsaina vonona hankatò i Jehovah. Ary ahoana raha efa tena latsa-paka ilay eritreri-dratsy ka mitady tsy hieritreritra zavatra tsara intsony isika? Mbola afaka manampy antsika foana i Jehovah. Ataony izay hahavitantsika hankatò foana ny didiny, ka tsy hisy zava-dratsy hanandevo antsika.—Sal. 119:133.
Vatosoa Ara-panahy
it “Doega”
Doega
Edomita nitana andraikitra ambony satria lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 21:7; 22:9) Olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy i Doega. “Voatana teo anatrehan’i Jehovah” izy tany Noba, angamba noho ny voady nataony, na noho ny fahalotoana, na nahiahina hoe nisy habokana. Teo izy rehefa nomen’i Ahimeleka Mpisoronabe an’i Davida ny mofo aseho sy ny sabatr’i Goliata. Rehefa nilaza tamin’ny mpanompony i Saoly fa nikomy taminy izy ireo, dia notantarain’i Doega ny zavatra hitany tany Noba. Nampanantsoin’i Saoly ny mpisoronabe sy ireo mpisorona tao Noba, ka nanontaniany i Ahimeleka. Nasainy namono an’ireo mpisorona ireo àry ny mpihazakazaka, nefa tsy nety izy ireo. I Doega indray no nomen’i Saoly baiko, ka novonoiny tsy nisy indrafo ireo mpisorona 85 tao Noba. Naripany tsy nisy niangana koa ny mponina tao, na antitra na tanora, mbamin’ny biby fiompy.—1Sa 22:6-20.
Miresaka momba an’i Doega i Davida ao amin’ny Salamo faha-52, raha jerena ny teny mampiditra an’io toko io. Hoy izy: “Ny hanisy ratsy no kendren’ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza, sady mamitaka. Ny ratsy no tianao noho ny tsara, ary ny mandainga noho ny milaza ny marina. Tianao daholo izay teny mitondra loza, ry lela mpamitaka ô!”—Sl 52:2-4.
24-30 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SALAMO 54-56
Manohana Anao Andriamanitra
w06 1/8 22-23 § 10-11
Hendre ka Matahora An’Andriamanitra!
10 Nisy fotoana nandosiran’i Davida tany amin’i Akisy, mpanjakan’i Gata. Io ilay tanàna filistinina nonenan’i Goliata. (1 Samoela 21:11-16) Nilaza ny mpanompon’ilay mpanjaka, fa fahavalon’ny firenen’izy ireo i Davida. Inona no nataony tamin’izany toe-javatra nampidi-doza izany? Nivavaka izy ary namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah. (Salamo 56:1-4, 11-13) Na dia nody adala aza izy mba hamonjeny ny ainy, dia fantany fa i Jehovah no tena nanavotra azy, satria Izy no nitahy ny ezaka nataony. Niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy, ary natoky azy. Izany no nampiseho fa tena natahotra an’Andriamanitra i Davida.—Salamo 34:4-6, 9-11.
11 Matahotra an’Andriamanitra toa an’i Davida isika, rehefa matoky ny fampanantenany hanampy antsika hiatrika olana. Hoy i Davida: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 37:5) Tsy midika akory izany hoe apetratsika eo am-pelatanan’i Jehovah ny zava-manahirana antsika, ary tsy manao izay azontsika atao isika fa miandry azy hamaha an’ilay olana. Tsy hoe nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra i Davida, ary avy eo nipetra-potsiny. Nampiasa ny saina sy ny hery nomen’i Jehovah azy kosa izy, ary niezaka namaha an’ilay olana. Fantany anefa fa tsy hahomby ny olona raha miantehitra amin’ny heriny samirery. Tokony hanaiky izany koa isika. Rehefa vitantsika izay rehetra azontsika natao, dia tsy maintsy apetratsika amin’i Jehovah ny ambiny. Matetika anefa no tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miantehitra amin’i Jehovah. Amin’izay indrindra isika tsirairay no mila matahotra an’Andriamanitra. Mampahery antsika ilay tenin’i Davida tamim-pahatsorana hoe: “Ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy.”—Salamo 25:14.
cl 243 § 9
Tsy Misy “Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
9 Sarobidy amin’i Jehovah koa ny fiaretantsika. (Matio 24:13) Tadidio fa tian’i Satana hivadika amin’i Jehovah ianao. Raha tsy mivadika amin’i Jehovah mandritra ny iray andro monja ianao, dia efa midika izany fa anisan’ny mamaly ny fiampangan’i Satana ianao. (Ohabolana 27:11) Tsy mora ny miaritra indraindray. Mety ho fisedrana isan’andro ny tsy fahasalamana, fahasahiranana ara-bola, fijaliana, na zava-manahirana hafa. Mety hahakivy koa ny fahadisoam-panantenana. (Ohabolana 13:12) Tena sarobidy amin’i Jehovah ny fiaretana ao anatin’izany. Izany no nangatahan’i Davida Mpanjaka tamin’i Jehovah mba hitahiry ny ranomasony tao ‘an-tavoahangy’, sady nilazany koa hoe “tsy eo amin’ny bokinao va ireny?” (Salamo 56:8) Sarobidy amin’i Jehovah sy tadidiny tokoa ny ranomaso sy fijaliana rehetra iaretantsika, eo am-piezahantsika tsy hivadika aminy.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha”: “Ny zavatra fantatra mialoha sy voatendry mialoha” § 17-18
Fantatra Mialoha, Voatendry Mialoha
Tanteraka tokoa ny faminaniana rehefa namadika an’i Jesosy i Jodasy Iskariota. Porofo koa izany fa mahalala mialoha izay hitranga i Jehovah sy ny Zanany. (Sl 41:9; 55:12, 13; 109:8; As 1:16-20) Tsy nilaza mialoha anefa Andriamanitra hoe i Jodasy ilay mpamadika. Nilaza fotsiny ny faminaniana hoe hisy naman’i Jesosy hamadika azy, fa tsy nolazainy ny anarany. Tsara hotadidina koa ilay fitsipik’Andriamanitra hoe: “Aza malaky mametra-tanana amin’olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ny olona, fa arovy ny tenanao mba hadio hatrany.” (1Ti 5:22; ampit. 3:6.) Nivavaka nandritra ny alina manontolo tamin-dRainy àry i Jesosy, mba hahaizany hifidy amim-pahendrena an’ireo apostoliny 12. (Lk 6:12-16) Raha efa voalahatra ho mpamadika anefa i Jodasy, dia toa midika izany fa ratsy ny fitarihan’Andriamanitra, ary niombona ota tamin’i Jodasy izy.
Mbola tsy nisy faniriana ny hamadika àry tao am-pon’i Jodasy, tamin’izy nofidina ho apostoly. Namela ‘faka misy poizina hitsimoka’ handoto azy anefa izy, ka nanaiky hotarihin’ny Devoly hangalatra sy hamadika, fa tsy nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra intsony. (He 12:14, 15; Jn 13:2; As 1:24, 25; Jk 1:14, 15; jereo JODASY No. 4.) Fantatr’i Jesosy àry ny tao am-pon’i Jodasy tamin’izy io nanaiky hofitahin’ny Devoly, ka afaka nilaza mialoha izy fa hamadika azy i Jodasy.—Jn 13:10, 11.