FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.7 3
  • 15-21 Jolay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 15-21 Jolay
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.7 3

15-21 JOLAY

SALAMO 63-65

Hira 108 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. “Tsara Noho ny Aina ny Fitiavanao sy ny Tsy Fivadihanao”

(10 min.)

Sarobidy lavitra noho ny aina ny mifandray tsara amin’Andriamanitra (Sl 63:3; w01 15/10 15-16 § 17-18)

Vao mainka isika hankasitraka an’i Jehovah rehefa misaintsaina ny fomba anehoany fitiavana sy tsy fivadihana (Sl 63:6; w19.12 28 § 4; w15 15/10 24 § 7)

Lasa te hidera an’i Jehovah isika satria tia antsika sy tsy mivadika amintsika izy (Sl 63:4, 5; w09 15/7 16 § 6)

Sary: Anabavy mamaky Baiboly. 1) Falifaly izy miara-manompo amin’ny anabavy iray hafa. 2) Manome valin-teny any am-pivoriana izy.

ZAVATRA AZO ATAO FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA: Iaraho midinika hoe ahoana avy ny fomba nanehoan’i Jehovah hoe tia sy tsy nivadika taminareo izy.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 64:3: Nahoana io andininy io no mandrisika antsika hanao teny mampahery foana? (w07 15/11 15 § 6)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 1:5, 6 (th lesona 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) ISAN-TRANO. Tsy mahay ny fiteninao ilay tompon-trano. (lmd 3:4)

5. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Tapaka ilay resaka dia tsy nahavita nitory akory ianao. (lmd 2:4)

6. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. Fantaro hoe inona ny foto-kevitra mety hahaliana an’ilay olona, dia mifanaova fotoana mba hitsidihana azy indray. (lmd 1:5)

7. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(4 min.) Fampisehoana. ijwfq 51: Foto-kevitra: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mbola Miresaka Amin’ny Olona Efa Niteny hoe Tsy Liana Izy? (lmd 4:3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira “Tia Anao Foana” (fampiasa any am-pivoriana)

8. Asehoy hoe Tianao Andriamanitra

(15 min.) Fiaraha-midinika.

“Tena be fitiavana sy tsy mivadika” i Jehovah. (Sl 86:15) Ny hoe “be fitiavana sy tsy mivadika” dia midika hoe tia olona iray satria tsy te hivadika aminy sady tena tsy mahafoy azy ary miraiki-po aminy. Na dia tia ny olona rehetra aza i Jehovah, dia izay mifandray akaiky aminy ihany no anehoany an’ilay hoe tia sy tsy mivadika. (Sl 33:18; 63:3; Jn 3:16; As 14:17) Ankasitrahanao ve hoe tia sy tsy mivadika aminao i Jehovah? Asehoy àry hoe tianao izy ka ankatoavy ny didiny, anisan’izany ilay didy hoe: ‘Ampianaro ny olona mba ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy.’​—Mt 28:19; 1Jn 5:3.

Alefaso ilay VIDEO hoe Miezaha Foana Haneho Fitiavana Rehefa eny Amin’ny Fanompoana. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

Nahoana no mandrisika antsika hitory ny fitiavana

    Sary avy amin’ilay video hoe “Miezaha Foana Haneho Fitiavana Rehefa eny Amin’ny Fanompoana.” Resin-tory eo ambony seza “salon” ilay raim-pianakaviana rehefa avy niasa.
  • rehefa reraka isika?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Miezaha Foana Haneho Fitiavana Rehefa eny Amin’ny Fanompoana.” Tompon-trano iray masiaka amin’ilay raim-pianakaviana miara-mitory amin’ny zanany lahy.
  • rehefa misy manohitra?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Miezaha Foana Haneho Fitiavana Rehefa eny Amin’ny Fanompoana.” Ilay renim-pianakaviana sy ny zanany vavy miresaka amin’ny mpiasa iray ao amin’ny fivarotana lehibe iray.
  • eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 91, 92

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 79 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara