FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.7 4
  • 22-28 Jolay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 22-28 Jolay
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.7 4

22-28 JOLAY

SALAMO 66-68

Hira 7 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Mitondra ny Entantsika Isan’andro i Jehovah

(10 min.)

Mihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah ary mamaly azy ireny (Sl 66:19; w23.05 21:15)

Miahy an’ireo mila fanampiana i Jehovah (Sl 68:5; w10 1/12 23 § 5; w09 1/4 31 § 1)

Manampy antsika i Jehovah isan’andro (Sl 68:19; w23.01 3:17)

Sary: Anabavy iray mivavaka imbetsaka mandritra ny andro. 1) Amin’ny maraina vao mifoha. 2) Miaraka amin’ny zanany, alohan’izy ireo handeha hianatra. 3) Any am-piasana.

SAINTSAINO IZAO: Ahoana no ampisehoanao hoe avelanao hitondra ny entanao i Jehovah?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 68:18: Iza ireo ‘lehilahy natao fanomezana’ tamin’ny andron’ny Israely? (w06 1/6 10 § 4)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 1:7, 8 (th lesona 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Tsy mitovy amin’ny anao ny kolontsain’ilay tompon-trano. (lmd 5:3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Iaraho midinika amin’ilay olona ilay taratasy mivalona napetrakao tamin’ianao nitory taminy. (lmd 9:3)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 15:1-3 sy Fampidirana (th lesona 8)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 102

7. Misy Azonao Atao ve mba Hanamaivanana ny Mpiara-manompo?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Tsy misy mpanompon’Andriamanitra voatery hiady irery rehefa miatrika olana. (2Ta 20:15; Sl 127:1) Manampy antsika mantsy i Jehovah. (Is 41:10) Ahoana avy no anaovany an’izany? Manome tari-dalana antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany izy. (Is 48:17) Manome ny fanahiny masina koa izy, ary mahery izy io. (Lk 11:13) Mandrisika ny rahalahy sy anabavy koa izy mba hampahery antsika. (2Ko 7:6) Midika izany fa azon’i Jehovah ampiasaina isika tsirairay mba hanamaivanana ny mpiara-manompo.

Sary avy amin’ilay video hoe “Miezaha Foana Haneho Fitiavana Amin’ny Mpiara-manompo: Ny Be Taona.” Ranabavy Paulina Sántiz Gómez mijoro eo an-tokotaniny. Mitsikitsiky izy.

Alefaso ilay VIDEO hoe Miezaha Foana Haneho Fitiavana Amin’ny Mpiara-manompo: Ny Be Taona. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azonao atao mba hanamaivanana ny be taona?

Sary avy amin’ilay video hoe “Miezaha Foana Haneho Fitiavana Amin’ny Mpiara-manompo: Ny Mpanompo Manontolo Andro.” Joseph sy Anita DeVito miara-manompo.

Alefaso ilay VIDEO hoe Miezaha Foana Haneho Fitiavana Amin’ny Mpiara-manompo: Ny Mpanompo Manontolo Andro. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azonao atao mba hanamaivanana ny mpanompo manontolo andro?

Sary avy amin’ilay video hoe “Miezaha Foana Haneho Fitiavana Amin’ny Mpiara-manompo: Ny Vahiny.” Bill sy Maggie Zeng miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitsikitsiky izy mivady.

Alefaso ilay VIDEO hoe Miezaha Foana Haneho Fitiavana Amin’ny Mpiara-manompo: Ny Vahiny. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azonao atao mba hanamaivanana an’izay miatrika zava-tsarotra?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 93; Fampidirana ny Fizarana 14; 94

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 88 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara