FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.7 5
  • 29 Jolay–4 Aogositra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 29 Jolay–4 Aogositra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.7 5

29 JOLAY–4 AOGOSITRA

SALAMO 69

Hira 13 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Jesosy mandroaka mpivarotra sy ny biby amidin’izy ireo hiala ao amin’ny tempoly.

1. Zava-nitranga teo Amin’ny Fiainan’i Jesosy Efa Voalaza ao Amin’ny Salamo 69

(10 min.)

Nankahalaina tsy amin’antony i Jesosy (Sl 69:4; Jn 15:24, 25; w11 15/8 11 § 17)

Nafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah i Jesosy (Sl 69:9; Jn 2:13-17; lfb 76:1-4)

Nitebiteby be sy vaky fo i Jesosy ary nomena divay nafangaro zava-mangidy (Sl 69:20, 21; Mt 27:34; Lk 22:44; Jn 19:34; w96 15/2 p. 31 § 4; it “Zavamaniry Misy Poizina” § 2)


SAINTSAINO IZAO: Nahoana i Jehovah no nampanoratra faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 69:9: Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy? (w21.05 19:9)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 1:9 (th lesona 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Manàna Faharetana: Ahoana no Nataon’i Jesosy?

(7 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny lmd 8:1-2.

5. Manàna Faharetana: Tahafo i Jesosy

(8 min.) Fiaraha-midinika miorina amin’ny lmd lesona 8, hevitra 3-5 sy ilay hoe “Jereo koa Ireto.”

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 134

6. Zavatra Ilain’ny Fiangonana

(5 min.)

7. Torolalana Momba ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

(10 min.) Fiaraha-midinika.

Sary: 1) Raim-pianakaviana manomana fotoam-pivavahana. 2) Miara-manao fotoam-pivavahana amin’ny vadiny sy ny zanany telo vavy izy avy eo.

Nanomboka tamin’ny Janoary 2009, dia natambatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana ny Fianarana Boky. Afaka nanokana takariva iray isan-kerinandro àry ny fianakaviana mba hanaovana fotoam-pivavahana. Be dia be ny nankasitraka an’io fandaharana io, satria manampy an-dry zareo hifandray akaiky amin’i Jehovah ilay izy sady manampy an-dry zareo hifandray am-po.​—De 6:6, 7.

Inona no torolalana afaka manampy ny loham-pianakaviana mba hanao fotoam-pivavahana tsy tapaka ny fianakaviany sady handray soa amin’izany?

  • Ataovy tsy tapaka ilay izy. Raha azo atao, dia aza ovaovana ny andro anaovanareo fotoam-pivavahana. Raha sendra misy sampona anefa, dia jereo hoe inona ny andro hafa anaovanareo an’ilay izy

  • Omano tsara ilay izy. Mangataha soso-kevitra amin’ny vadinao. Azonao atao koa ny mangataka soso-kevitra amin’ny zanakao tsindraindray. Tsy voatery hanomana be ny loham-pianakaviana, indrindra raha misy zavatra efa fanaonareo mianakavy amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro

  • Ataovy mifanaraka amin’izay ilain’ny fianakavianao ilay izy. Miova ny zavatra ilain’ny ankizy sy ny zavatra hainy rehefa mihalehibe ry zareo. Tokony hanampy ny mpianakavy tsirairay hifandray akaiky amin’i Jehovah ilay Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

  • Iezaho atao mahafinaritra ilay fotoam-pivavahana. Azonareo atao any an-tokotany ilay izy indraindray, raha tsara ny andro. Asio fiatoana kely koa ilay izy raha ilaina. Na dia fotoana azonareo iresahana ny olana atrehin’ny zanakareo aza ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, dia tsy tokony hibedibedy na hanasazy azy ireo ianao amin’izay

  • Ovaovao ny zavatra atao mandritra ny fotoam-pivavahana. Azonareo atao, ohatra, ny miara-manomana fivoriana, mijery sy miara-midinika video iray ao amin’ny jw.org, miara-manomana fanompoana dia manao fanazaran-tena. Na dia fiaraha-midinika aza no tena atao mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, dia azo atao koa ny manokana fotoana anaovan’ny tsirairay fianarana samirery

Iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no nampiharanareo an’ireo torolalana ho an’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ireo?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 95, 96

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 114 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara