FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.7 6
  • 5-11 Aogositra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 5-11 Aogositra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.7 6

5-11 AOGOSITRA

SALAMO 70-72

Hira 59 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. ‘Lazao Amin’ny Taranaka any Aoriana’ ny Herin’Andriamanitra

(10 min.)

Nahatsapa ny fiarovan’i Jehovah i Davida tamin’izy mbola tanora (Sl 71:5; w99 1/9 18 § 17)

Tsapan’i Davida hoe na dia efa antitra aza izy dia mbola nanohana azy foana i Jehovah (Sl 71:9; g04 8/10 23 § 3)

Nampahery ny tanora i Davida rehefa nitantara tamin’izy ireo ny zavatra niainany (Sl 71:17, 18; w14 15/1 23 § 4-5)

Ilay fianakaviana tao amin’ilay sary ao amin’ilay anjara natao tamin’ny herinandro lasa hoe “Torolalana Momba ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.” Nanasa mpivady zokiolona izy ireo mba hiaraka hanao fotoam-pivavahana aminy. Falifaly izy ireo mihaino azy mivady mitantara ny zavatra niainany sady mampiseho sary.

SAINTSAINO IZAO: ‘Iza ao amin’ny fiangonanay no efa ela nanompoana an’i Jehovah ka mba tiako hohadinadinina mandritra ny fotoam-pivavahanay?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 72:8: Tanteraka tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka ilay fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama ao amin’ny Genesisy 15:18. Tamin’ny fomba ahoana? (it “Eofrata”: “Sisin-tanin’ny Israely”)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 1:10, 11 (th lesona 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Farano ny resaka raha mitady hiady hevitra ilay olona, nefa miezaha ho tsara fanahy. (lmd 4:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Tohizo ny resaka nifanaovanao tamin’ny havanao anankiray. Nilaza taminao izy tamin’izay hoe misalasala hianatra Baiboly. (lmd 8:4)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Lahateny. ijwfq 49: Foto-kevitra: Nahoana no Nisy Niova ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? (th lesona 17)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 76

7. Zavatra Azo Atao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Ilay fianakaviana teo ihany, mianatra hiran’ilay Fanjakana. Mitsangana izy ireo.
Mijery fandaharana Tele JW ilay fianakaviana.
Manao fanazaran-tena ilay fianakaviana mandritra ny fotoam-pivavahana. Mamaly ny fanontaniana apetraky ny mamany ny zanany vavy iray.

Zava-dehibe ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana satria io no fotoana ahafahan’ny ankizy mandray ny “anatra omen’i Jehovah sy izay atorony.” (Ef 6:4) Mitaky ezaka ny mianatra nefa mety hahafinaritra ilay izy, indrindra raha efa mihatian’ny ankizy ny mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Jn 6:27; 1Pe 2:2) Fintino izay voalazan’ny efajoro hoe “Zavatra Azo Atao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.” Misy soso-kevitra manampy ny ray aman-dreny ao amin’izy io mba hahatonga ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana hahafinaritra sy hianaran-javatra. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Iza amin’ireo soso-kevitra ireo no tianareo hampiharina?

  • Inona koa ny zavatra hafa ankoatra an’ireo hitanareo hoe mahasoa?

ZAVATRA AZO ATAO FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA

BAIBOLY:

  • Mihaino raki-peon’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro; na ianareo mianakavy ihany no manao an’ilay famakiana Baiboly, dia mifandimby mamaky ny tenin’ireo olona ao amin’ilay tantara

  • Manomana fanontaniana maromaro mialoha miorina amin’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro, dia asaina mifidy fanontaniana iray ny mpianakavy tsirairay mba hanaovany fikarohana. Afaka samy miresaka an’izay hevitra hitany tamin’ny fikarohana izy ireo

  • Mametraka fanontaniana iray na milaza olana na fisedrana mety hitranga, dia mitady ny torolalana mifandray amin’ilay izy ao amin’ny Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina

  • Milalao tantara iray ao amin’ny Baiboly

  • Manamboatra karatra iray misy andinin-teny, dia ovaovana isan-kerinandro ilay andininy, ary ianarana tsianjery. Azo alaina, ohatra, ireo andinin-teny ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A ao amin’ilay bokikely hoe Tiavo ny Olona ka Ampianaro. Avereno jerena indray ireo karatra misy andinin-teny efa hainareo teo aloha

  • Mianatra ampahany ao amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

  • Misy mpianakavy asaina mamintina lahatsoratra iray avy ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” na ilay hoe “Fanazavana Andinin-teny”, eo ambanin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY ao amin’ny jw.org

FIVORIANA:

  • Manomana ampahany amin’ny fivorian’ny fiangonana

  • Manomana valin-teny. Teneno mafy ilay izy avy eo, dia jereo sao lava be

  • Mianatra ny hiran’ilay Fanjakana

  • Miara-midinika hoe inona no holazaina amin’ny olona iray mba hampaherezana azy aloha na aorian’ny fivoriana, ary atao fanazaran-tena ilay izy

  • Raha misy mpianakavy manana anjara fampiofanana tsy ho ela, dia asaina averiny eo anatrehan’ny fianakaviana aloha ilay izy

FANOMPOANA:

  • Manomana fitoriana isan-trano

  • Manomana fiverenana mitsidika

  • Mieritreritra toe-javatra hahafahana hitory tsy ara-potoana, ary atao fanazaran-tena avy eo hoe ahoana no hanombohana resadresaka

  • Miresaka tanjona voafaritra tsara mba hampitomboana ny fanompoana mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, na rehefa tsy mianatra na tsy miasa

ZAVATRA ILAIN’NY FIANAKAVIANA:

  • Manao fanazaran-tena hoe ahoana no atao mba hiatrehana zavatra mitovy amin’izay efa nitranga taloha na mety mbola hitranga, ohatra hoe tsy manohana an’izao tontolo izao, misy mampijaly, terena hampiaraka, na fankalazana fety

  • Rehefa misy fanontaniana apetraky ny ankizy, dia asaina manao fikarohana ry zareo, dia ry zareo avy eo no maka ny toeran’ny ray aman-dreny mampisaintsaina ny zanany

SOSO-KEVITRA HAFA:

  • Mijery Tele JW, dia avy eo miara-midinika an’ilay izy

  • Mamaky lahatsoratra na mijery video iray ao amin’ny jw.org, ary avy eo miara-midinika an’ilay izy

  • Mandinika zavatra sasany ao amin’ilay hoe “Tanora” na hoe “Ankizy” eo ambanin’ilay fizarana hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY ao amin’ny jw.org

  • Mamerina mijery ny zavatra noraisina an-tsoratra tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra na fivoriamben’ny faritra

  • Mandinika zavaboary iray na manao fikarohana momba an’ilay izy, dia avy eo miara-midinika hoe inona no azo ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ilay izy

  • Manasa olon-kafa indraindray mba hiara-manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana aminareo, ary manadinadina azy

  • Miara-midinika hoe inona ny tanjona ara-panahy azon’ny mpianakavy tsirairay tratrarina ary ahoana no hanatratrarany an’ilay izy

  • Miara-manao zavatra, ohatra hoe manamboatra sambofiara kely na miara-mianatra ny sarintany sy ny tabilao ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, na ao amin’ny boky na gazetintsika

Alefaso ilay VIDEO hoe Ezaho Hatsaraina Foana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakavianareo. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azon’ny lehilahy manambady atao mba hahafinaritra ny vadiny ny fotoam-pivavahan’izy ireo, na dia tsy misy ankizy aza?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lfb 97, 98

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 123 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara