FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.9 3
  • 16-22 Septambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 16-22 Septambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.9 3

16-22 SEPTAMBRA

SALAMO 85-87

Hira 41 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

I Davida Mpanjaka mitalaho amin’i Jehovah.

1. Manampy Antsika Hiaritra ny Vavaka

(10 min.)

Angataho i Jehovah mba hanampy anao hanana fifaliana (Sl 86:4)

Angataho i Jehovah mba hanampy anao tsy hivadika (Sl 86:11, 12; w12 15/5 25 § 10)

Matokia hoe hamaly ny vavaka ataonao i Jehovah (Sl 86:6, 7; w23.05 21:17-18)


SAINTSAINO IZAO: ‘Lava kokoa sy matetika kokoa ve ny vavaka ataoko rehefa miatrika olana aho?’​—Sl 86:3.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 86:5: Tian’i Jehovah ho resy lahatra ny amin’inona isika? (w24.03 11:15)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 3:5-7 (th lesona 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 3:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Tamin’ilay resakareo teo aloha, dia nilaza ilay olona hoe mampanahy azy ny zava-nitranga iray tato ho ato. Asao hianatra Baiboly izy. (lmd 7:4)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 15:5. Anontanio ilay mpianatra hoe inona no mety aminy, mba hitohizan’ilay fianarana na dia tsy ho eo aza ianao amin’ny herinandro. (lmd 10:4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 83

7. Aza Mora Kivy fa Mitoria Foana

(5 min.) Fiaraha-midinika.

Alefaso ilay VIDEO. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Inona no mahatonga antsika ho kivy ka lasa tsy te hitory intsony indraindray?

  • Nahoana isika no tsy tokony ho mora kivy?

8. Tohizo Foana ny Fanasana Olona Hianatra Baiboly!

(10 min.) Fiaraha-midinika.

Anabavy iray mitory amin’ny vehivavy iray eo amin’ny fakàna taxi.
Mpivady manao fampirantiana, dia mampiasa an’ilay afisy hoe “Fianarana Baiboly Maimaim-poana.” Misy vehivavy mandalo dia mitazana an’ilay fampirantiana.
Mpivady mitory isan-trano, dia manolotra an’ilay bokikely hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” amin’ny lehilahy iray.

Afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ve ianao, nandritra an’ilay ezaka manokana tamin’ity volana ity? Mety ho faly be izao ianao! Azo inoana hoe faly koa ny hafa mahita an’izany. Raha mbola tsy nahazo fampianarana Baiboly anefa ianao, dia mety hieritreritra hoe sao very maina fotsiny ny ezaka ataonao. Inona no azonao atao raha kivy ianao noho izany?

Alefaso ilay VIDEO hoe ‘Asehonay hoe Mpanompon’Andriamanitra Izahay Satria Manam-paharetana...’ Rehefa Mitory. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Ahoana no anampian’ny 2 Korintianina 6:4, 6 antsika raha hoatran’ny hoe tsy misy vokany ny fanompoana ataontsika?

  • Inona ny fanovana azonao atao raha hoatran’ny hoe tsy misy vokany ny ezaka nataonao mba hanombohana fampianarana Baiboly?

Tadidio fa tsy miankina amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly atombokao na tarihinao ny fifalianao, fa miankina amin’ny hoe mampifaly an’i Jehovah ny ezaka ataonao. (Lk 10:17-20) Mazotoa foana àry mandray anjara amin’ilay ezaka manokana. Fantatrao mantsy fa ‘tsy very maina ny asa mafy ataonao ho an’ny Tompo.’​—1Ko 15:58.

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.01 2:1-10

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 88 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara