18-24 NOVAMBRA
SALAMO 107-108
Hira 7 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. “Misaora An’i Jehovah fa Tsara Izy”
(10 min.)
Nafahan’i Jehovah avy tany Babylona ny Israelita, dia hoatran’izany koa fa nafahan’i Jehovah avy tamin’ny tontolon’i Satana isika (Sl 107:1, 2; Kl 1:13, 14)
Te hisaotra an’i Jehovah isika dia izay no mahatonga antsika hidera azy eo anivon’ny fiangonana (Sl 107:31, 32; w07 15/4 20 § 2)
Lasa mankasitraka kokoa an’i Jehovah isika rehefa mieritreritra ny zavatra tsara rehetra nataony ho antsika noho ny fitiavany antsika (Sl 107:43; w15 15/1 9 § 4)
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Sl 108:13: Ahoana no hahazoantsika hery, na dia rehefa mahatsiaro ho reraka aza isika? (w23.10 43:20)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) FITORIANA TSY ARA-POTOANA. (lmd 1:4)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) FITORIANA TSY ARA-POTOANA. Lazao amin’ilay olona hoe mampianatra Baiboly isika, dia omeo karatra fanasana hianatra Baiboly izy. (lmd 9:3)
6. Lahateny
(5 min.) w21.02 8:17-19: Foto-kevitra: Inona no Hanampy Anao ho Faly Foana na dia Miatrika ny Mafy Aza? (th 14)
Hira 46
7. Mihira Isika mba Hisaorana An’i Jehovah
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Natahotra an’ilay tafika ejipsianina natanjaka be ny Israelita teo amin’ny Ranomasina Mena. Novonjen’i Jehovah anefa ilay vahoakany, dia nankasitraka azy izy ireo ka nanao hira ho fisaorana azy. (Ek 15:1-19) Ny lehilahy no nitarika an’io hira io. (Ek 15:21) Nanao hira fiderana an’Andriamanitra koa i Jesosy sy ny Kristianina voalohany. (Mt 26:30; Kl 3:16) Isika amin’izao koa mbola mankasitraka an’i Jehovah, dia mihira rehefa manatrika fivoriana sy fivoriambe. Efa hatramin’ny 1966, ohatra, no nohiraina tany am-pivoriana ilay hira vao nataontsika teo hoe “Misaotra, Jehovah.”
Any amin’ny kolontsaina sasany, dia mety hahamenatra ny lehilahy ny mihira eny imason’olona. Misy koa angamba tsy te hihira satria mieritreritra hoe ratsy feo. Tokony hotadidintsika anefa fa anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny mihira any am-pivoriana. Manao ezaka be ny fandaminan’i Jehovah mba hamoronana hira kanto sy hifidianana ny hira atao isaky ny fivoriana. Ny ataontsika sisa dia ny miara-mihira mba hampisehoana hoe tiantsika sy ankasitrahantsika ilay Raintsika any an-danitra.
Alefaso ilay VIDEO hoe Mitohy ny Tantarantsika: Ny Hira (Fizarana 2). Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:
Inona ny zava-nitranga niavaka tamin’ny 1944?
Ahoana no nampisehoan’ireo rahalahy tany Siberia hoe tian-dry zareo ny nanao ny hiran’ilay Fanjakana?
Nahoana no tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mihira?
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) w22.02 7:8-17