FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb24.11 4
  • 25 Novambra–1 Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 25 Novambra–1 Desambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2024
mwb24.11 4

25 NOVAMBRA–1 DESAMBRA

SALAMO 109-112

Hira 14 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Asehoy hoe Manohana An’i Jesosy Mpanjaka Ianao

(10 min.)

Nipetraka teo ankavanan’i Jehovah i Jesosy rehefa niakatra tany an-danitra (Sl 110:1; w06 1/9 13 § 6)

Nanomboka nanjaka tanteraka teo amin’ny fahavalony i Jesosy tamin’ny 1914 (Sl 110:2; w00 1/4 18 § 3)

Afaka manolo-tena an-tsitrapo isika, izany hoe manao izay rehetra azontsika atao, mba hanohanana ny fitondran’i Jesosy (Sl 110:3; lff 55:1)

Sary: Rahalahy tanora manohana ny fitondran’i Jesosy. 1) Mitondra mikrô izy mandritra ny fivoriana. 2) Manosika anabavy be taona eo ambony seza misy kodiarana izy. 3) Manao fianarana samirery izy. 4) Misy rahalahy mampiofana azy mba hahay hiantsoroka andraikitra iray ao am-pivoriana.

SAINTSAINO IZAO: ‘Inona avy ny tanjona azoko tratrarina mba hampisehoako hoe manohana an’ilay Fanjakana aho?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 112:7: Inona no hianarantsika avy amin’ny Salamo 112:7? (w23.07 31:16)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 6:3, 4 (th 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) ISAN-TRANO. Mampiasà taratasy mivalona mba hanombohana resadresaka amin’ilay olona. (lmd 4:3)

5. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Fampisehoana. ijwfq 23: Foto-kevitra: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandeha Miady? (lmd 4:4)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 15:6, Misy Miteny Hoe (lmd 11:3)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 72

7. Ahoana no Ampisehoantsika hoe Manohana An’ilay Fanjakana Isika?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Sary avy amin’ilay video hoe “Tohano Ilay ‘Andrianan’ny Fiadanana.’ ” Rahalahy roa mitory amin’ny lehilahy iray eny amin’ny toerana fanjonoana.

Ilay Fanjakana no anisan’ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe manan-jo hitondra an’izao rehetra izao izy. (Da 2:44, 45) Manohana ny zon’i Jehovah hitondra àry isika rehefa manao izay rehetra azontsika atao mba hanohanana an’io Fanjakana io.

Alefaso ilay VIDEO hoe Tohano Ilay “Andrianan’ny Fiadanana.” Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe manohana ny Fanjakan’Andriamanitra isika?

Hitantsika eo ambany ny fomba vitsivitsy azontsika ampisehoana hoe manohana ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Manorata andinin-teny iray isaky ny hevitra tsirairay.

  • Manao loha laharana an’ilay Fanjakana.

  • Manaraka ny fitsipika momba ny fitondran-tena takina amin’ny vahoakan’ilay Fanjakana.

  • Mazoto miresaka amin’ny olon-kafa momba an’ilay Fanjakana.

  • Manaja ny manam-pahefana, nefa mankatò an’Andriamanitra rehefa mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny lalàn’i Kaisara.

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.02 8:1-10

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 102 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara