FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.01 3
  • 20-26 Janoary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 20-26 Janoary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.01 3

20-26 JANOARY

SALAMO 138-139

Hira 93 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Aza Avela Hisakana Anao ny Tahotra

(10 min.)

Te hidera an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika (Sl 138:1)

Miantehera amin’i Jehovah rehefa matahotra hamaly ianao any am-pivoriana (Sl 138:3)

Tsy voatery ho ratsy ny tahotra hoatr’izany (Sl 138:6; w19.01 10 § 10)

Anabavy manangan-tanana mba hamaly mandritra ny fivoriana iray ataon’ny fiangonana.

SOSO-KEVITRA: Ataovy fohy ny valin-teninao, amin’izay ianao tsy dia hatahotra. ​—w23.04 18:7.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 139:21, 22: Tsy maintsy mamela ny heloky ny olona rehetra ve ny Kristianina? (it-1 573 § 2)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 7:9-11 (th 2)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. (lmd 2:3)

5. Rehefa Mampianatra

(4 min.) AMPAHIBEMASO. Asao hianatra Baiboly ilay olona ary atoroy azy ny fanaovana an’ilay izy. (lmd 10:3)

6. Lahateny

(5 min.) w22.06 26:1-3: Inona no hanampy antsika handresy ny tahotra? (th 16)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 59

7. Afaka Mankafy ny Fanompoanao Ianao na dia Saro-kenatra Aza

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Saro-kenatra ve no fahitanao anao? Aleonao ve hoe tsy dia tsikaritry ny olona ianao? Midobodoboka be ve ny fonao vao mieritreritra fotsiny hoe hiresaka amin’ny hafa? Raha saro-kenatra isika, dia mety hisakana antsika tsy hanao an’izay tiantsika hatao izany indraindray. Betsaka amin’ny olona saro-kenatra anefa no nahavita niova, ka lasa nankafy ny fanompoany mihitsy aza. Inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireny?

Alefaso ilay VIDEO hoe Vitako Ilay Izy na dia Saro-kenatra Be Aza Aho. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Nahoana ny Ranabavy Lee no nandray soa rehefa nampihatra ny torohevitry ny bebeny hoe ‘manompoa an’i Jehovah dia tena ataovy tsara ilay izy?’

Asehon’ny Baiboly hoe mety ho saro-kenatra koa i Mosesy sy Jeremia ary Timoty. (Ek 3:11; 4:10; Je 1:6-8; 1Ti 4:12) Nahavita zavatra miavaka teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa ry zareo, satria nampiany. (Ek 4:12; Je 20:11; 2Ti 1:6-8)

Sary: 1) Mosesy mitazona takela-bato roa misy ny Didy Folo. 2) Jeremia, mivavaka. 3) Timoty mamaky horonam-boky.

Vakio ny Isaia 43:1, 2. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona no ampanantenain’i Jehovah ny mpanompony?

Ahoana no anampian’i Jehovah an’ireo mpanompony saro-kenatra mba hankafy ny fanompoana?

Alefaso ilay VIDEO hoe Nahoana ny Batisa no Mahatonga Anao ho Faly Kokoa?​—Ampahany. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Ahoana no nahitan’ny Ranabavy Jackson hoe mahery i Jehovah sady nanohana azy tamin’ny fanompoany?

  • Nahoana ny fanompoana no afaka manampy ny olona saro-kenatra?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.03 12:1-8

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 73 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara