FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.01 4
  • 27 Janoary–2 Febroary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 27 Janoary–2 Febroary
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.01 4

27 JANOARY–2 FEBROARY

SALAMO 140-143

Hira 44 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Manaova Zavatra Mifanaraka Amin’ny Vavaka Ataonao

(10 min.)

Miezaha hanaiky torohevitra (Sl 141:5; w22.02 7:13-14)

Saintsaino izay nataon’i Jehovah mba hamonjena ny mpanompony (Sl 143:5; w23.05 24:5)

Miezaha hitovy fomba fijery amin’i Jehovah (Sl 143:10; w15 15/3 32 § 2)

Rahalahy tanora mianatra samirery. Sary: 1) Mivavaka eny an-tokotany izy. 2) Miara-manompo amin’ny rahalahy iray be taona izy, dia mihaino tsara ny torohevitra omeny.

Resahin’ny Salamo 140-143 fa tsy hoe niangavy an’i Jehovah hanampy azy fotsiny i Davida, fa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony koa.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 141:5: Nahoana ny lelan’ny ratsy fanahy no noharin’i Davida tamin’ny poizin’ny bibilava? (w22.02 7:12)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) hf 8:1-4 (th 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Miezaha hampiditra resaka avy ao amin’ny Baiboly rehefa avy nanao zavatra hanampiana an’ilay olona. (lmd 3:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) AMPAHIBEMASO. Miteny aminao ilay olona hoe sahirana izy. (lmd 7:3)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Fampisehoana. lff 39:1, 2: Ahoana no Fiheveran’Andriamanitra ny Ra? (th 7)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 141

7. Miomàna Hiatrika Fitsaboana na Fandidiana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mampanantena i Jehovah hoe “vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra.” (Sl 46:1) Mety hiady saina be isika rehefa mila fitsaboana na fandidiana. Omen’i Jehovah an’izay rehetra ilaintsika anefa isika mba ho vonona mialoha raha sendra mila an’izany. Ireto avy, ohatra, no omeny antsika amin’ny alalan’ny fandaminany: Karatra Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana (FMF), Karatra Famantarana,a ary fanazavana hafa momba ny fitsaboana.b Eo koa ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH). Manampy antsika hankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra ireo rehetra ireo. ​—As 15:28, 29.

Anabavy iray mameno an’ilay Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana.

Alefaso ilay VIDEO hoe Efa Vonona ve Ianao Raha Sendra Mila Fitsaboana? Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona ny soa noraisin’ny mpiara-manompo efa nameno karatra FMF?

  • Inona no soa azon’ny olona sasany tamin’ilay Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401)?

  • Nahoana no tena tsara foana ny mifandray amin’ny KMH haingana araka izay azo atao, raha misy mila mijanona any amin’ny hopitaly na mila didiana na mila manaraka karazana fitsaboana iray, ohatra hoe fitsaboana kansera, na dia hoatran’ny hoe tsy mila fampidiran-dra aza ilay izy?

EFA VONONA VE IANAO?

  • Soraty ao amin’ilay FMF ny fanapahan-kevitrao

  • Miresaha haingana araka izay azo atao amin’ny rahalahy anisan’ny KMH

  • Miomàna hanazava amin’ny dokoteranao ny fanapahan-kevitrao mifandray amin’ny fampidiran-dra, sy ny fampiasana zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra, ary ny fitsaboana ampiasana ny ranao.​—Jereo ny lff 39

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.03 12:9-18

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 7 sy Vavaka

a Azon’ny mpitory vita batisa alaina any amin’ny mpikarakara boky ilay FMF. Raha manan-janaka mbola tsy ampy taona izy, dia afaka maka an’ilay Karatra Famantarana ho azy ireo.

b Azo angatahana any amin’ny anti-panahy ireto rehefa ilaina: Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401), Fanazavana ho An’ny Marary Mila Fandidiana na Manaraka Fitsaboana Simika (S-407), ary Toromarika ho An’ny Ray Aman-dreny Manana Zanaka Mila Fitsaboana (S-55).

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara