FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.3 3
  • 17-23 Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 17-23 Martsa
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.3 3

17-23 MARTSA

OHABOLANA 5

Hira 122 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Halaviro ny Fitondran-tena Ratsy

(10 min.)

Hoatran’ny hoe manintona ny fitondran-tena ratsy (Oh 5:3; w00 15/7 29 § 1)

Misy vokany mangidy ny fitondran-tena ratsy (Oh 5:4, 5; w23.06 28:9-10)

Halaviro ny fitondran-tena ratsy (Oh 5:8; w24.07 29:11)

Anabavy Kristianina tsy mety manome ny nomeraony an’ny ankizilahy iray

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 5:21, 22: Ahoana no azontsika anampiana olona nanao fahotana lehibe? (w21.10 40:21)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 1:2 (th 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) AMPAHIBEMASO. Asao hanatrika Fahatsiarovana ny olona iray tsy Kristianina, dia ampiasao ny jw.org mba hanoroana azy ny toerana hanaovana an’izany akaiky azy indrindra. (lmd 6:4)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Liana ilay olona tamin’ny nitoriana farany, dia nandray fanasana Fahatsiarovana. (lmd 9:5)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff 16, famintinana sy famerenana ary tanjona. Manontany ilay mpianatra hoe nanambady ve i Jesosy, dia asehoy azy ny fomba fikarohana ny valin’izany. (lmd 11:4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 121

7. Mitandrema mba Tsy ho Ratsy Fitondran-tena Mihitsy Rehefa Mampiaraka

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Amin’ny ankapobeny, dia atao hoe mampiaraka ‘ny olon-droa raha mifampiresaka na miara-manao zavatra na inona izany na inona, mba hampisehoana hoe manana fihetseham-po amin’ny andaniny ny ankilany.’ Mampiaraka no iantsoana an’izany, na irery ry zareo na miaraka amin’olon-kafa, na misy mahafantatra ilay fiarahana na tsia, na mivantana na amin’ny telefaonina na ao amin’ny tambazotran-tserasera. Tsy kilalao ny mampiaraka. Ny olona efa mieritreritra ny hanambady kosa no manao an’izany. Inona àry no mila tandreman’izay mampiaraka, na tanora izy na olon-dehibe, mba tsy ho ratsy fitondran-tena mihitsy ry zareo?​—Oh 22:3.

Lehilahy sy vehivavy efa nahazoazo taona, mampiaraka any amin’ny hotely fisakafoana. Falifaly ry zareo mifampiresaka sady misakafo.

Alefaso ilay VIDEO hoe Fiomanana ho Amin’ny Fanambadiana: Fizarana 1: Vonona ny Hampiaraka ve Aho?: Ampahany. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Nahoana ny olona iray no tsy tokony hanomboka hampiaraka raha tsy efa vonona ho amin’ny fanambadiana? (Oh 13:12; Lk 14:28-30)

  • Inona no tianao tamin’ny fomba nanampian’ilay ray aman-dreny ny zanany vavy?

Vakio ny Ohabolana 28:26. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Ahoana no azon’ny olon-droa mampiaraka iomanana mialoha mba tsy ho irery ry zareo ka hatahorana ho resin’ny fakam-panahy?

  • Nahoana no hendry ny mpifankatia raha miresaka mazava tsara mialoha hoe inona no hataon-dry zareo sy tsy hataony rehefa mifaneho fitiavana, ohatra hoe mifampitantana sy mifanoroka?

Vakio ny Efesianina 5:3, 4. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Inona no tokony hotadidin’ny mpifankatia rehefa mifampiresaka amin’ny telefaonina na tambazotran-tserasera?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.04 17:1-11

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 137 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara