5-11 MEY
OHABOLANA 12
Hira 101 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Mahasoa ny Miasa Mafy
(10 min.)
Aza mandany fotoana ikatsahana zavatra tsy misy ilana azy (Oh 12:11)
Mazotoa miasa mafy (Oh 12:24; w16.06 30 § 6)
Handray soa avy amin’ny asa mafy ataonao ianao (Oh 12:14)
SOSO-KEVITRA: Ho afa-po amin’ny asa mafy ataonao ianao raha mifantoka amin’ny soa ho azon’ny hafa avy amin’ilay izy.—As 20:35; w15 1/2 5 § 4-6.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Oh 12:15: Nahoana isika no tokony hihaino torohevitra? (w22.02 7:2)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Teny
4. Miresadresaha Aloha
(2 min.) ISAN-TRANO. (lmd 1:4)
5. Miresadresaha Aloha
(3 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 5:4)
6. Rehefa Miverina Mitsidika
(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Asehoy amin’ny olona iray manan-janaka ny tranonkalantsika. (lmd 9:3)
7. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(3 min.) Fampisehoana. ijwfq lahatsoratra 3: Foto-kevitra: Mino ve Ianareo fa ny Fivavahanareo Ihany no Marina? (lmd 4:3)
Hira 21
8. Mahavita Miatrika Olana Ara-bola Isika Satria Ampian’i Jehovah
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Manahy ve ianao satria tsy mahita asa na sao ho very asa, na tsy ampy ny fidiram-bolanao amin’izao? Sa ianao matahotra sao tsy hahavelon-tena intsony rehefa mihantitra? Miovaova be ny toe-karena eto amin’izao tontolo izao. Mampanantena anefa i Jehovah fa raha izy no ataontsika voalohany eo amin’ny fiainana, dia hikarakara an’izay ilaintsika foana izy, na dia lasa sahirana ara-bola tampoka aza isika.—Sl 46:1-3; 127:2; Mt 6:31-33.
Alefaso ilay VIDEO hoe Mbola Tsy Nanary Anay Mihitsy i Jehovah. Iaraho midinika ity avy eo:
Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ny Rahalahy Alvarado?
Vakio ny 1 Timoty 5:8. Iaraho midinika ity avy eo:
Nahoana io andininy io no manatanjaka ny finoantsika mpanompon’i Jehovah hoe hanome an’izay ilain’ny fianakaviany foana izy?
Ireto misy torolalan’ny Baiboly mety hanampy anao hiatrika olana ara-bola:
Ataovy tsotra foana ny fiainanao. Aza mitrosa tsy amin’antony, ary mahaiza mitsitsy vola.—Mt 6:22
Mifidiana asa sy fianarana hahafahanao manao loha laharana ny fanompoana.—Fi 1:9-11
Manetre tena, dia miezaha hiaina mifanaraka amin’ny zava-misy. Raha lasa tsy an’asa ianao, dia ataovy izay asa hahafahanao mamelona ny fianakavianao, na dia tsotsotra aza ilay izy.—Oh 14:23
Miezaha ho tia mizara, na tsy dia manana omena aza ianao.—He 13:16
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) w22.05 20:10-21