FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.5 6
  • 9-15 Jona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 9-15 Jona
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.5 6

9-15 JONA

OHABOLANA 17

Hira 157 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mpivady israelita ao amin’ny trano tsotsotra, falifaly miara-mihinana mofo.

Mpivady israelita falifaly miara-mihinana sakafo tsotsotra ao an-trano

1. Miezaha Hampisy Fihavanana ao An-tokantrano

(10 min.)

Mitaky ezaka ny hoe mampisy fihavanana foana, nefa tsy ho very maina izany (Oh 17:1; jereo ny sary, pejy 1)

Aza mifamaly amin’ny zavatra tsisy dikany (Oh 17:9; g 9/14 11 § 2)

Miezaha hifehy ny fihetseham-ponao (Oh 17:14; w08 1/5 10 § 6–11 § 1)

Mpivady tamin’ny andron’ny Baiboly, manankarena fa tsy sambatra. Mipetraka ry zareo dia samy manao ‘croiser les bras.’ Misy sakafo be eo anoloany. Ilay vehivavy mijery any Ankaratra nefa ilay lehilahy miresaka aminy.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 17:3: Nahoana, ohatra, isika no mila miaro ny fontsika, araka ny Ohabolana 17:3? (w23.06 28:3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 3:4 (th 10)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd 3:5)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) AMPAHIBEMASO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd 6:4)

6. Lahateny

(5 min.) w24.01 3:10-13: Foto-kevitra: Hanohana anao i Jehovah. (th 13)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 113

7. Miezaha Hanana Fahazarana Hanampy Anareo Hifampiresaka Tsara

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mila mifampiresaka tsara ny ao an-tokantrano raha te ho sambatra. Raha tsy misalasala miresaka ny tsirairay, dia hahavita hiara-hanatratra tanjona sy hifanohana ny mpianakavy rehefa misy zava-tsarotra. (Oh 15:22) Inona àry no azonao atao mba hifampiresaka tsara foana ny fianakavianao?

Manokàna fotoana hiarahana. (De 6:6, 7) Rehefa miara-miasa sy miara-manao zavatra ara-panahy ary miara-miala voly ny fianakaviana, dia vao mainka hifankatia be sy hifampatoky. Lasa afaka manao resadresaka mahafinaritra koa ry zareo amin’ireny. Mety hila hampandefitra ny zavatra sasany tianao ianao indraindray, mba hanaovana an’izay tian’ny fianakavianao. (Fi 2:3, 4) Tsy hanenenanao mihitsy anefa izany! Ahoana àry no azonao ampiasana tsara ny fotoananao rehefa miaraka amin’ny fianakavianao?​—Ef 5:15, 16.

Sary avy amin’ilay video hoe “Raha Tianao Hiadana ny Fianakavianao, dia Miezaha Hahay Hifampiresaka Kokoa.” Miara-misakafo izy mianakavy.

Alefaso ilay VIDEO hoe Raha Tianao Hiadana ny Fianakavianao, dia Miezaha Hahay Hifampiresaka Kokoa. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona no mety ho vokany raha variana mampiasa fitaovana elektronika ny ao an-trano?

  • Inona koa no hitanao tao amin’ilay video hoe azo ampiharina mba hahatonga anareo hifampiresaka tsara foana?

Henoy tsara ny hafa. (Jk 1:19) Mora mamboraka an’izay tsapany ny ankizy raha tsy matahotra izy hoe sao ho bedy, na hoe tsy ho azo izay tiany holazaina. Miezaha mafy àry mba tsy ho tezitra rehefa milaza zavatra mampanahy anao ny zanakao. (Oh 17:27) Miezaha kosa hihaino sy hangoraka. Ezaho fantarina izay any an-tsainy sy ao am-pony, amin’izay ianao ho afaka hanome toky azy hoe tianao izy. Ho vitanao koa ny hanampy azy amim-pitiavana.

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.05 23:1-9

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 134 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara