FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.5 7
  • 16-22 Jona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 16-22 Jona
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.5 7

16-22 JONA

OHABOLANA 18

Hira 90 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Manaova Teny Mampahery Amin’ireo Tsy Salama

(10 min.)

Ataovy mifanaraka amin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra ny zavatra teneninao (Oh 18:4; w22.10 43:17)

Miezaha hahazo an’izay iaretan’ilay olona (Oh 18:13; mrt lahatsoratra 19, efajoro)

Miezaha mba ho namana vonon-kanampy sy manam-paharetana (Oh 18:24; wp23.1 14 § 3–15 § 1)

Lehilahy mangoraka sady mihaino tsara ny vadiny mamboraka ny fihetseham-pony.

SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no azoko atao mba hanohanana ny vadiko raha marary izy, na hoe tratran’ny aretin-tsaina?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 18:13: Nahoana no tena ilaina ny mihaino tsara? (w20.04 16:6)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 3:5 (th 11)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Hafa ny fitenin’ilay olona. (lmd 2:5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) AMPAHIBEMASO. Miteny aminao ilay olona hoe ataovy fohy ny resaka. (lmd 7:4)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Miresaha fahamarinana lehibe momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (lmd 9:5)

7. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(4 min.) Fampisehoana. ijwfq lahatsoratra 29: Foto-kevitra: Mino ny Famoronana ve Ianareo? (lmd 5:5)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 144

8. Tsy Amin’ny Teny Ihany no Azonao Anampiana ny Olona Akaiky Anao mba Hifandray Amin’i Jehovah

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Maro amintsika no mahafantatra olona tsy manompo an’i Jehovah amin’izao. Mety ho ny vadintsika izany, na ny zanatsika, na namantsika niala tamin’ny fiangonana. Nisy fotoana ve ianao somary nanery na nahitsy fiteny be mihitsy aza mba handresena lahatra an-dry zareo hanompo an’i Jehovah? Marina hoe tsy ratsy ny antony mahatonga anao hanao an’izany. Ny teny lazainao indray anefa no mety ho vao mainka hanasarotra an’ilay izy. (Oh 12:18) Inona àry no tsara kokoa?

Manazava ny 1 Petera 3:1 fa tsy voatery hoe ny teny lazain’ny anabavy iray no mety hahatonga ny vadiny tsy Vavolombelona hanompo an’i Jehovah. Na tsy te hihaino ny fahamarinana aza ilay vadiny, dia mety mbola ho afaka hanampy azy hahafantatra an’i Jehovah ihany izy. Ahoana no hanaovany an’izany? Amin’ny alalan’ny fitondran-tenany. Mety hampiova an’ilay vadiny mantsy ny toetra tsarany, ohatra hoe be fitiavana sy tsara fanahy ary hendry. (Oh 16:23) Mety hisy vokany tsara eo amin’ny olona akaiky antsika mbola tsy manompo an’i Jehovah ny fitondran-tenantsika sy ny ezaka ataontsika mba ho tsara fanahy aminy.​—Kl 4:6.

Alefaso ilay VIDEO hoe Mahavita Miaro ny Finoana Ireo Manam-bady Tsy Vavolombelona. Iaraho midinika ireto avy eo:

    Sary avy amin’ilay video hoe “Mahavita Miaro ny Finoana Ireo Manam-bady Tsy Vavolombelona.” Ranabavy Hideko Sasaki.
  • Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ny Ranabavy Sasaki?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mahavita Miaro ny Finoana Ireo Manam-bady Tsy Vavolombelona.” Ranabavy Noriko Ito.
  • Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ny Ranabavy Ito?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mahavita Miaro ny Finoana Ireo Manam-bady Tsy Vavolombelona.” Ranabavy Tomoe Okada.
  • Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ny Ranabavy Okada?

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) w22.05 23:10-18

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 135 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara