FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.7 2
  • 14-20 Jolay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 14-20 Jolay
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.7 2

14-20 JOLAY

OHABOLANA 22

Hira 79 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Torolalana Manampy ny Ray Aman-dreny Hitaiza Tsara ny Zanany

(10 min.)

Ampio ho vonona hiatrika zava-tsarotra ny zanakao (Oh 22:3; w20.10 44:7)

Vao teraka kelikely ilay zaza dia efa ampianaro (Oh 22:6; hf 7:7-11)

Anaro izy, nefa miezaha ho be fitiavana foana (Oh 22:15; fg 9:5)

Raim-pianakaviana iray mampiasa Baiboly mba hampisaintsainana ny zanany vavy. Misy sarina olona mivoatra miandalana eo amin’ny tablette-n’ilay zanany.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 22:29​—Ahoana no azontsika ampiharana an’io andininy io eo anivon’ny fiangonana, ary inona avy ny soa ho azontsika? (w21.08 33:11)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 4:4-5 (th 10)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. (lmd 5:4)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Atoroy hoe ahoana no hahitan’ny ray aman-dreny fanazavana mety hanampy azy ao amin’ny jw.org. (lmd 1:4)

6. Lahateny

(5 min.) w24.12 50:9-13—Foto-kevitra: Ampio izy hahaakatra hoe mahasoa ny fitsiupiky ny baiboly? (th 20)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 134

7. Manàna Faharetana Nefa Aza Milefitra Loatra

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mila manam-paharetana be ny ray aman-dreny rehefa mitaiza ny zanany. Tsy maintsy mahafantatra an’izay zava-mitranga eo amin’ny fiainany ry zareo, ary manokana fotoana matetika iarahana aminy. (De 6:6, 7) Mba hahalalana an’izay any am-pon’ny zanany, dia mila miresaka tsara aminy ry zareo sady tena mihaino tsara azy. (Oh 20:5) Mety mila averimberin’ny ray aman-dreny imbetsaka amin’ny zanany koa izay tokony hataony, amin’izay ho azony sy hampihariny ilay izy.

Na dia manam-paharetana aza anefa ny ray aman-dreny, dia tsy tokony havelany hanao an’izay rehetra tiany hatao ny zanany. Nomen’i Jehovah fahefana ry zareo mba hiteny amin’ny zanany hoe inona no azo atao sy tsy azo atao, dia hananatra na hanafay an-dry zareo raha tsy mankatò ry zareo.—Oh 6:20; 23:13.

Vakio ny Efesianina 4:31, ary iaraho midinika ity:

  • Nahoana no tsy tokony hanafay ny zanany ny ray aman-dreny rehefa mbola tezitra?

Vakio ny Galatianina 6:7, ary iaraho midinika ity:

  • Nahoana ny ray aman-dreny no tena tokony hampianatra ny zanany hoe misy vokany ny zavatra ataony?

Sary avy amin’ilay video hoe “ ‘Manàna Faharetana, Mifandefera Noho ny Fitiavana’​—Zanaka.” Mihaino tsara an’i Julia, zanany vavy, i Max.

Alefaso ilay VIDEO hoe ‘Manàna Faharetana, Mifandefera Noho ny Fitiavana’​—Zanaka. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona avy ny lesona nianaranao tamin’ilay video teo?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 1:1-4

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 98 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara