Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
1-7 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 29
Aza Minomino Foana na Manao Fombafomba Tsy Tian’i Jehovah
w18.11 11 § 12
“Handeha Amin’ny Fahamarinanao Aho”
12 Fombafomba tsy tian’i Jehovah. Mety hasain’ny fianakaviana na ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra hanao fety sy fombafomba tsy tian’i Jehovah isika. Inona no hanampy antsika tsy ho voatarik’izy ireny? Tokony hotadidintsika hoe nahoana no tsy tian’i Jehovah ilay fety na ilay fombafomba. Maninona raha karohina ao amin’ny bokintsika hoe ahoana no niandohan’ilay izy? Ho hitantsika amin’izay hoe inona no lazain’ny Baiboly. Rehefa mitadidy ny antony tsy anaovantsika an’ireny fety ireny isika, dia ho azontsika antoka hoe manao “izay ankasitrahan’ny Tompo” isika. (Efes. 5:10) Tsy hatahotra olona isika raha matoky an’i Jehovah sy izay lazain’ny Teniny.—Ohab. 29:25.
8-14 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 30
“Aza Atao Mahantra Aho, Nefa Aza Atao Manankarena Koa”
w87 15/8 30 § 8
Matahora An’i Jehovah dia ho Sambatra Ianao
◆ 30:15, 16—Inona no asehon’ireo ohatra ireo?
Soritany fa tsy mety afa-po ny faniriana mihoa-pampana. Miboboka ra ny dinta, toy ny itakian’ny olona manana faniriana mihoa-pampana fahefana na vola betsaka kokoa hatrany. Toy izany koa, tsy mety voky mihitsy ny Fasana ary mivoha foana mba handray maty hafa. ‘Miantsoantso’ mba hanana zanaka ny kibo momba (Genesisy 30:1). Mifoka ranonorana ny tany karakaina, nefa tsy ela dia maina indray. Ny afo nandany izay nomena azy dia mandefa ny lelafony hahazo izay tratrany. Toy izany ny amin’ny olona manana faniriana mihoa-pampana. Izay tarihin’ny fahendren’Andriamanitra kosa anefa dia tsy atosiky ny fitiavan-tena foana.
Vatosoa Ara-panahy
w09 15/4 17 § 11-13
Hita eo Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’i Jehovah
11 Ianarantsika lesona lehibe koa ny bitrom-bato. (Vakio ny Ohabolana 30:26.) Mitovitovy amin’ny bitro izy io, saingy kely sy boribory ny sofiny ary fohy ny tongony. Monina eny amin’ny harambato izy io. Afaka miaro tena tsara ny bitrom-bato satria matsilo ny masony. Miafina any amin’ireo lavadavaka eny amin’ny harambato izy, rehefa misy biby mpiremby mitady hanafika azy. Maro be izy ireo no miara-monina. Miaro azy amin’ny loza izany, ary mahatonga azy hafana rehefa ririnina.
12 Inona no ianarantsika avy amin’ny bitrom-bato? Mailo io biby io ka tsy mora tafihina. Jereny avy lavitra amin’ny masony matsilo ireo biby mpiremby, ary tsy miala lavitra an’ireo lavadavaka eny amin’ny harambato izy mba hiarovana ny ainy. Tokony ho mailo toy izany koa isika, ka hamantatra mialoha ireo zavatra mety hanimba ny finoantsika eo amin’ny tontolon’i Satana. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Petera hoe: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Pet. 5:8) Niambina foana i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, mba tsy ho voataonan’i Satana hivadika. (Mat. 4:1-11) Ohatra tsara ho an’ny mpanara-dia azy izy!
13 Ho afaka hiambina isika, raha mandray ny fanampiana omen’i Jehovah mba hiarovana antsika. Tsy tokony hataontsika an-tsirambina ny fianarana ny Teniny sy ny fanatrehana ny fivoriana kristianina. (Lioka 4:4; Heb. 10:24, 25) Toa an’ireo bitrom-bato izay miara-monina, dia tokony hifanerasera akaiky amin’ireo Kristianina namantsika isika. “Hisy fifampaherezana” eo amintsika amin’izay. (Rom. 1:12) Raha manaiky harovan’i Jehovah amin’izany fomba izany isika, dia hiombon-kevitra amin’i Davida mpanao salamo, izay nilaza hoe: “I Jehovah no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy ary Mpanafaka ahy. Andriamanitro no vatolampiko. Hialoka aminy aho.”—Sal. 18:2.
15-21 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 31
Inona no Azo Ianarana avy Amin’ny Torohevitra Nomen’ny Reny Iray ho An’ny Zanany Lahy?
w11 1/2 19 § 8
Ampianaro Hahay Hitondra Tena Tsara ny Zanakao
Ampianaro daholo ny marina momba ny firaisana. Ataovy azo antoka fa fantatry ny zanakao ny marina rehetra momba ny firaisana. Hoy i Nadia, reny any Meksika: “Nataoko takatry ny zanako foana fa zavatra tsara sy voajanahary ny firaisana, ary nataon’i Jehovah Andriamanitra hankafizin’ny olombelona. Ny mpivady ihany anefa no mahazo manao azy io. Hahazoana fahafinaretana izy io na hiteraka fijaliana, arakaraka ny fomba ampiasana azy.”
ijwhf lahatsoratra 4 § 11
Ahoana no Hanazavako Amin’ny Zanako hoe Mety ve ny Misotro Toaka sa Tsia?
Aza izy no andrasana hiresaka, fa tonga dia resaho ilay izy. Izany no nataon’i Mark, any Grande-Bretagne. Hoy izy: “Nanontaniako ilay zanako lahy valo taona hoe mety sa tsy mety ny misotro toaka. Tsy voatery ho hain’ny ankizy tsinona izany. Tsy nataoko resaka matotra be anefa ilay izy fa nataoko mahafinaritra, dia nahasahy nilaza ny heviny izy.”
g17.6 9 § 5
Ampianaro Hanetry Tena ny Zanakao
Ampirisiho izy mba halala-tanana. Asehoy azy fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Amin’ny fomba ahoana? Manaova lisitra miaraka aminy ary soraty ao ny anaran’ny olona mila alaina na aterina, ampiana hiantsena, na manan-javatra simba mila amboarina. Ento miaraka aminao izy rehefa manampy ny sasany amin’izy ireny ianao. Ho hitany amin’izay hoe faly sy afa-po ianao rehefa mikarakara izay ilain’ny hafa. Tena hanampy azy hanetry tena ny modely omenao.—Torolalana: Lioka 6:38.
29 SEPTAMBRA–5 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 3-4
Ataovy Mafy Tsara Foana Ilay Tady Randran-telo
ijwhf lahatsoratra 10 § 2, 3
Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mampiasa Fitaovana Elektronika
● Mety hahasoa ny mpivady ny fitaovana elektronika, raha ampiasain-dry zareo amin’ny fomba tsara. Ny mpivady sasany izao rehefa tsy tafaraka mandritra ny andro, dia mampiasa fitaovana elektronika amin’izay afaka mifandray.
“Na dia SMS kely hoatran’ny hoe ‘tiako ianao’ na hoe ‘malahelo anao aho’, dia efa tena zava-dehibe.”—Jonathan.
● Mety hanimba tokantrano ny fitaovana elektronika, raha tsy mahay mandanjalanja ny mpivady rehefa mampiasa azy. Variana amin’ny tablette na ny telefaoniny ny olona sasany, dia lasa hadinony ny vadiny sady mihena ny fotoana tokony hiarahany aminy.
“Fantatro hoe matetika ny vadiko no te hiresaka tamiko, fa izaho nefa variana tamin’ny telefaonina.”—Julissa.
13-19 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 7-8
“Aleo Mankany Amin’ny Trano Misy Fisaonana”
w19.06 23 § 15
Ampio ny Hafa Hizaka ny Adin-tsainy
15 Maty ny vadin’i William, taona vitsivitsy lasa izay. Hoy izy: “Tiako rehefa mba mitantara zavatra tsara momba ny vadiko ny olona, satria lasa mahazo toky aho hoe tian’ny olona izy sady nohajain’izy ireo. Tena manampy sy mampahery be an’ahy izany, satria sarobidy be tamiko izy. Hoatran’ny rano sy vary mihitsy izahay!” Maty vady koa i Bianca ary izao no nolazainy: “Lasa tsy dia malahelo aho rehefa miara-mivavaka amiko ny olona, dia mamaky andinin-teny iray na roa ho an’ahy. Mampahery an’ahy koa rehefa miresaka amiko momba ny vadiko ry zareo, na mihaino an’ahy miresaka momba azy.”
ijwfq lahatsoratra 50
Ahoana no Fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah An’ireo Fombafomba Atao Amin’ny Fandevenana?
Izay mifanaraka amin’ny Baiboly ihany no ekenay sy arahinay. Anisan’izany ireto:
Ara-dalàna ny hoe malahelo rehefa misy havana maty. Nalahelo ny mpianatr’i Jesosy rehefa nisy havany na namany nodimandry. (Jaona 11:33-35, 38; Asan’ny Apostoly 8:2; 9:39) Tsy manao fety àry izahay rehefa misy maty. (Mpitoriteny 3:1, 4; 7:1-4) Miara-ory amin’izay nidonam-pahoriana kosa izahay.—Romanina 12:15.
Tsy mahalala na inona na inona ny maty. Misy mino hoe mahatsiaro tena ny maty ary mitahy na manisy ratsy ny velona. Tsy mampianatra an’izany anefa ny Baiboly, ka tsy manao fombafomba mifandray amin’izany izahay, na inona na inona fiavianay na kolontsainay. (Mpitoriteny 9:5, 6, 10) Anisan’izany ny hoe miandry faty, manao fety na manao sorona ho an’ny maty, mamadika, miresaka amin’ny maty sy mangata-pitahiana aminy, ary manao an’ireo fombafomba takina amin’ny vady navelan’ny maty. Tsy manao an’ireo rehetra ireo izahay, satria mankatò an’ilay didy hoe: “Misaraha aminy ... ary aza mikasika intsony izay maloto.”—2 Korintianina 6:17.
Mbola ho velona indray ny maty. Milaza ny Baiboly fa mbola hitsangana ny maty ary hofoanana ny fahafatesana. (Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 21:4) Tsy manao zavatra tafahoatra àry izahay rehefa misy havana maty. Tsy nanao an’izany koa ny Kristianina voalohany.—1 Tesalonianina 4:13.
Milaza ny Baiboly fa ilaina ny manetry tena. (Ohabolana 11:2) Tsy fotoana “fampideraderana” fananana àry ny fotoam-pandevenana aminay, sady tsy fotoana anindrahindrana saranga. (1 Jaona 2:16) Tsy manao fandevenana manetriketrika be izahay mba hampifaliana olona. Tsy mampanao vatam-paty lafo be koa izahay, na manao akanjo misarika maso loatra.
Tsy terenay hanaraka ny zavatra inoanay ny hafa. “Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka [mantsy] isika tsirairay avy.” (Romanina 14:12) Miezaka manazava ny zavatra inoanay anefa izahay rehefa misy manontany, ary ataonay “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina” izany.—1 Petera 3:15.
Ahoana no ataon’ny Vavolombelona rehefa mikarakara fandevenana?
Toerana: Raha mangataka ny hanaovana lahatenim-pandevenana ilay fianakaviana mana-manjo, dia mety hatao any amin’ny Efitrano Fanjakana izany, na any an-tranony, na any amin’ny toerana handoroana an’ilay faty, na eny am-pasana.
Lahatenim-pandevenana: Atao hampaherezana an’ireo nidonam-pahoriana izy io. Hazavaina amin’io lahateny io hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny maty sy ny fitsanganana amin’ny maty. (Jaona 11:25; Romanina 5:12; 2 Petera 3:13) Mety horesahina koa ny toetra tsaran’ilay olona nodimandry, indrindra fa ny modely navelany tamin’izy nanompo an’Andriamanitra.—2 Samoela 1:17-27.
Mety hisy hira hatao koa amin’io fotoana io, ary avy ao amin’ny Baiboly ny hevitra resahin’ilay tononkira. (Kolosianina 3:16) Avy eo, dia faranana amin’ny vavaka mampahery ilay lahateny.—Filipianina 4:6, 7.
Rakitra: Tsy mitaky vola izahay rehefa misy mampanao fotoam-pivavahana, anisan’izany ny lahatenim-pandevenana. Tsy mitanty rakitra koa izahay rehefa miara-mivory mba hianatra Baiboly.—Matio 10:8.
Mpanatrika: Raisinay an-tanan-droa ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah tonga hihaino lahatenim-pandevenana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Azon’ny rehetra atrehina mantsy ilay izy, hoatran’ny fivoriana hafa alaminay ihany.
Ahoana raha fivavahana hafa no mandamina an’ilay fandaharana? Mahazo manatrika azy io ve ny Vavolombelona?
Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra raha hanatrika izy na tsia. Miankina amin’ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly izany. (1 Timoty 1:19) Tsy mandray anjara amin’ny fombafomba ara-pivavahana mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly anefa izahay.—2 Korintianina 6:14-17.
20-26 OKTOBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 9-10
Ahoana no Tokony ho Fahitanao ny Olana Mahazo Anao?
w19.09 5 § 10
Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena
10 Mora kokoa amintsika ny miatrika fiainana rehefa manetry tena isika. Mety hahita tsy rariny mantsy isika indraindray, na isika mihitsy no iharan’ny tsy rariny. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Ny mpanompo indray no hitako mitaingin-tsoavaly, fa ny andriana kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.” (Mpito. 10:7) Misy olona, ohatra, manan-talenta be nefa tsy misy miraharaha. Olon-kafa tsy dia mahay noho izy indray no omena voninahitra kokoa. Na izany aza, dia niaiky i Solomona fa hendry isika raha manaiky hoe efa hoatr’izany ny fiainana, fa tsy tezitra noho ny tsy rariny hitantsika. (Mpito. 6:9) Raha manetry tena isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hanaiky an’izay rehetra mitranga, na dia tsy tiantsika aza izy ireny.
27 OKTOBRA–2 NOVAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 11-12
Ataovy Izay Hahatonga Anao ho Salama sy Hankafy Fiainana
g 3/15 13 § 6-7
Fanafody Voajanahary ny Rivotra Madio sy Tara-masoandro
Mahafaty mikraoba koa ny masoandro. Nanazava ny gazety iray momba ny fahasalamana hoe: “Maro ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny rivotra, nefa tsy mahatanty masoandro ny ankamaroan’ny mikraoba mahatonga azy ireny.”
Tsy mba tianao ve ny hahazo an’izany fanafody voajanahary izany? Maninona àry raha mitsangantsangana eny ivelany, ka mba mifoka rivotra madio sy mitanina andro kely? Tena hahasoa anao izany.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fanahy, avy Amin’ny” § 10
Fanahy, avy Amin’ny
Tsy toy ny milina tsy manan-tsafidy ireo nofidin’Andriamanitra hanoratra ny Soratra Masina. Nahariharin’ny anjely “tamin’ny alalan’ny famantarana” tamin’ny apostoly Jaona, ohatra, ny votoatin’ny Apokalypsy, ka lasa “vavolombelona nanambara ny teny nomen’Andriamanitra sy ny fanambarana nataon’i Jesosy Kristy, dia ny zava-drehetra hitany” i Jaona. (Ap 1:1, 2) “Teo ambany herin’ny fanahy masina” izy no “tonga tamin’ny andron’ny Tompo”, ary nilazana hoe: “Izay hitanao dia soraty eo amin’ny horonam-boky.” (Ap 1:10, 11) Navelan’Andriamanitra hampiasa ny sainy àry ny mpanoratra Baiboly ka hifidy an’izay teny hilazana ny fahitana hitany (Ha 2:2), na dia nifehy sy nitari-dalana azy ireo foana aza Izy mba ho marina sy hifanaraka amin’ny fikasany ny zavatra voasoratra. (Oh 30:5, 6) Nisy ezaka tokoa nataon’ireo mpanoratra. Nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina ary nandrindra teny, ohatra, ny mpanoratra ny Mpitoriteny, mba hanoratra ‘teny mahafinaritra sy tenim-pahamarinana tsy misy diso.’—Mpto 12:9, 10; ampit. Lk 1:1-4.