LAHATSORATRA FIANARANA 48
Aza Manary Toky Rehefa ao Anatin’ny Sarotra
“‘Mahereza .... fa manampy anareo aho’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”—HAG. 2:4.
HIRA 118 “Ampitomboy ny Finoanay”
HO HITANAO ATO:a
1-2. Inona no mampitovy ny fiainantsika sy ny an’ireo Jiosy niverina tany Jerosalema? (Jereo koa ilay hoe “Tamin’ny Andron’i Hagay sy Zakaria ary Ezra.”)
MANAHY momba ny hoavy ve ianao indraindray? Very asa angamba ianao, dia miasa saina hoe ahoana no hamelomana ny fianakavianao. Mety hieritreritra koa ianao hoe ahoana no hiarovana an-dry zareo, noho ny korontana ara-politika, ny fanenjehana, na ny fanoherana ny asa fitoriana. Miatrika ny iray amin’ireo ve ianao? Raha izany, dia andao hojerentsika hoe ahoana no nanampian’i Jehovah ny Israelita taloha fa hahasoa anao izany. Niatrika olana hoatr’izany koa mantsy ry zareo.
2 Tany Babylona foana ny Jiosy sasany no nipetraka. Niadana erỳ ry zareo tany. Nila finoana àry ry zareo mba hialana tany, dia hankany amin’ny toerana iray zara raha fantany. Vao tonga kelikely tany anefa ry zareo, dia nisy fiantraikany tamin’ny fiainany ny fiovaovana ara-toe-karena sy ny korontana ara-politika ary ny fanoherana. Lasa sarotra tamin’ny sasany ny nifantoka tamin’ny fanorenana indray ny tempolin’i Jehovah. Naniraka an’i Hagay sy Zakaria mpaminany àry i Jehovah, tamin’ny taona 520 T.K. tany ho any, mba handrisika ny vahoaka hafana fo indray. (Hag. 1:1; Zak. 1:1) Ho hitantsika hoe tena nisy vokany ny fampaherezana nomen’ireo mpaminany roa ireo. Efa ho 50 taona tatỳ aoriana anefa, dia kivy be indray ny Jiosy niverina tany Jerosalema. Niala tany Babylona àry i Ezra, mpanao dika soratra ny Lalàna sady tena mahay, mba hampirisika ny vahoakan’Andriamanitra hanao loha laharana ny fivavahana marina.—Ezra 7:1, 6.
3. Inona no fanontaniana hodinihintsika ato? (Ohabolana 22:19)
3 Nanampy ny vahoakan’Andriamanitra hatoky an’i Jehovah foana ny faminanian’i Hagay sy Zakaria, na dia nisy aza ny fanoherana. Afaka manampy antsika koa izy ireny mba hatoky hoe hanohana antsika foana i Jehovah, na dia tsy hay aza izay havoakan’ny ampitso. (Vakio ny Ohabolana 22:19.) Handinika ny hafatr’Andriamanitra nampitain’i Hagay sy Zakaria ary ny modelin’i Ezra isika ato, sady hamaly an’ireto: Lasa nanao ahoana ny Jiosy vokatr’ireny zava-tsarotra ireny? Nahoana isika no tokony hifantoka foana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra rehefa ao anatin’ny sarotra? Ary inona no hanampy antsika hatoky bebe kokoa an’i Jehovah?
LASA NANAO AHOANA NY JIOSY REHEFA NIATRIKA ZAVA-TSAROTRA?
4-5. Nahoana ny Jiosy no tsy dia nazoto nanorina ny tempoly intsony?
4 Be dia be ny asa nila nataon’ny Jiosy rehefa tafaverina tany Jerosalema. Vetivety dia voaorina ny alitaran’i Jehovah, ary nalatsaka ny fototry ny tempoly. (Ezra 3:1-3, 10) Tsy ela anefa dia lefy ny hafanam-pony. Fa maninona? Satria mbola nila nanao ny tranony sy namboly ary namelona ny fianakaviany ry zareo, ankoatra an’ilay asa fanorenana. (Ezra 2:68, 70) Tsy izay ihany fa nanana fahavalo koa ry zareo. Nanao tetika izy ireny mba hanajanonana ny fanorenana ny tempoly.—Ezra 4:1-5.
5 Niovaova be koa ny toe-karena sady nisy korontana ara-politika, dia nisy vokany tamin’ireo niverina avy tany an-tsesitany izany. Efa lasa anisan’ny Fanjakana Persianina mantsy ny tanin-dry zareo. Rehefa maty i Kyrosy, mpanjaka persianina, tamin’ny 530 T.K. dia nandimby azy i Cambyse. Nandeha nanafika an’i Ejipta izy sy ny tafiny, dia azo inoana hoe ny Israelita no nasain’ny miaramilany nanome sakafo sy rano ary trano ho an-dry zareo. Vao mainka nanasarotra ny fiainan’ny Israelita izany. I Dariosy I indray no nandimby an’i Cambyse. Nanjaka ny fikomiana sy ny korontana tamin’izy vao nanomboka nitondra. Azo antoka fa lasa nanahy ny ankamaroan’ireo niverina avy tany an-tsesitany hoe ahoana no hamelomany ny fianakaviany. Noho izany rehetra izany, dia nisy Jiosy nieritreritra fa mbola tsy fotoana nety hanorenana ny tempolin’i Jehovah tamin’izay.—Hag. 1:2.
6. Inona koa ny olana natrehin’ny Jiosy, nefa inona ny toky nomen’i Zakaria an-dry zareo? (Zakaria 4:6, 7)
6 Vakio ny Zakaria 4:6, 7. Tsy ny toe-karena sy ny politika fotsiny no tsy nilamina, fa nenjehina koa ny Jiosy. Vitan’ny fahavalony ny nandrara ny fanorenana indray ny tempolin’i Jehovah, tamin’ny 522 T.K. Nanome toky ny Jiosy anefa i Zakaria fa hampiasa ny fanahiny mahery i Jehovah, mba hanesorana an’izay mety ho sakantsakana. Nofoanan’i Dariosy Mpanjaka ilay didy nandrara ny fanorenana ny tempoly, tamin’ny 520 T.K. Nanome vola ny Jiosy mihitsy aza izy ary nandidy ny manam-pahefana mba hanampy an-dry zareo.—Ezra 6:1, 6-10.
7. Inona ny fitahiana azon’ny Jiosy nody tany amin’ny taniny, rehefa ny sitrapon’Andriamanitra no tena nifantohany?
7 Nampanantena ny vahoakany i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay sy Zakaria fa hanohana an-dry zareo izy, raha ny fanorenana ny tempoly aloha no ataon-dry zareo voalohany. (Hag. 1:8, 13, 14; Zak. 1:3, 16) Nampahery ny Jiosy ireo mpaminany ireo, dia nanohy nanorina ny tempoly indray ry zareo tamin’ny 520 T.K. Tsy ampy dimy taona taorian’izay, dia vita ilay izy. Nanampy ny Jiosy i Jehovah, satria ny sitrapon’Andriamanitra no tena nifantohan-dry zareo, na dia sarotra aza ny fiainana. Nanome an’izay nilain-dry zareo i Jehovah, sady nanampy an-dry zareo hifandray tsara taminy foana. Lasa falifaly àry ny Jiosy nanompo azy.—Ezra 6:14-16, 22.
MIFANTOHA FOANA AMIN’NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
8. Nahoana ny Hagay 2:4 no manampy antsika hifantoka amin’ny sitrapon’Andriamanitra? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
8 Arakaraka ny anatonan’ny fahoriana lehibe no mahamaika ny asa fitoriana, ka mila mankatò an’ilay didy hitory isika. (Mar. 13:10) Mety ho sarotra anefa ny hifantoka amin’ny fanompoana, raha lasa sahirana ara-bola isika na misy manohitra ny asa fitoriana. Inona àry no hanampy antsika mba ho ilay Fanjakana foana no ho voalohany eo amin’ny fiainantsika? Matokia foana hoe eo anilanao eo i “Jehovah Tompon’ny tafika.”b Hanampy antsika izy raha ilay Fanjakana foana aloha no zava-dehibe amintsika vao izay ilaintsika. Tsy misy atahorantsika mihitsy àry!—Vakio ny Hagay 2:4.
9-10. Ahoana no nahitan’ny mpivady iray hoe marina ny voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33?
9 Diniho ny ohatr’i Oleg sy Irina.c Mpisava lalana izy mivady. Nankany amin’ny faritra iray ry zareo mba hanampy fiangonana tany. Rehefa tonga tany anefa izy mivady dia very asa, satria nitotongana ny toe-karena tao amin’ny taniny. Asa an-tselika no niveloman-dry zareo nandritra ny herintaona teo ho eo, nefa tsapany foana hoe nanohana azy i Jehovah. Nisy fotoana koa nanampy azy roa ny mpiara-manompo. Ahoana no niatrehan’izy mivady an’izany zava-tsarotra izany? Kivy i Oleg tamin’ny voalohany, nefa izao no nolazainy: “Be atao tamin’ny fanompoana foana izahay, dia lasa nifantoka tamin’izay zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana.” Nanompo be foana izy mivady sady nitady asa ihany.
10 Rehefa nody avy nanompo izy roa indray andro, dia nilaza ny mpiray tanàna taminy hoe nisy naman-dry zareo be nanao dia 160 kilaometatra teo ho eo mba hanaterana harona roa feno sakafo ho an-dry zareo. Hoy i Oleg: “Tsapanay indray tamin’iny andro iny hoe tena mikarakara anay i Jehovah sy ny fiangonana. Resy lahatra izahay fa tsy manadino ny mpanompony mihitsy i Jehovah, na dia hoatran’ny hoe tsy misy mangirana aza ny fiainany.”—Mat. 6:33.
11. Inona no azontsika antenaina raha mifantoka foana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra isika?
11 Tian’i Jehovah hifantoka amin’ilay asa mamonjy aina isika, ka hampianatra ny olona. Araka ny voaresaka terỳ amin’ny fehintsoratra faha-7, dia nampirisika ny vahoakan’i Jehovah i Hagay mba hanohy indray ny fanompoana masina efa nataony. Hoatran’ny hoe handatsaka indray ny fototry ny tempoly ry zareo, ka toy ny fiaingana vaovao izany. Raha nanao an’izany ilay vahoaka, dia nampanantena i Jehovah fa “hitahy” an-dry zareo. (Hag. 2:18, 19) Afaka matoky koa isika fa hitahy ny ezaka ataontsika i Jehovah, raha ilay asa nampanaoviny antsika no ataontsika voalohany eo amin’ny fiainana.
AHOANA NO HATOKISANA KOKOA AN’I JEHOVAH?
12. Maninona no nila finoana matanjaka i Ezra sy ireo niara-natao sesitany taminy?
12 Nankany Jerosalema indray i Ezra tamin’ny 468 T.K. Nisy Jiosy maromaro niaraka taminy niala avy tany Babylona, ary ireo no andiany faharoa. Nila finoana matanjaka ry Ezra mba hanaovana an’ilay dia. Nampidi-doza mantsy ny lalana. Ry zareo koa nitondra volamena sy volafotsy be dia be ho an’ny tempoly, ka mety ho nahaliana ny mpangalatra izany. (Ezra 7:12-16; 8:31) Tsy ela koa dia hitan-dry zareo hoe tsy azo antoka na dia tao Jerosalema aza. Vitsy mponina mantsy ilay tanàna, sady mbola nila namboarina ny manda sy ny vavahady. Efa natoky kokoa an’i Jehovah anefa i Ezra. Inona no ianarantsika avy aminy?
13. Inona no nanampy an’i Ezra hatoky kokoa an’i Jehovah? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
13 Efa hitan’i Ezra ny nanampian’i Jehovah ny vahoakany rehefa niharam-pitsapana ry zareo. Azo inoana hoe nipetraka tany Babylona i Ezra, taona maro talohan’izay, tamin’ny 484 T.K. Namoaka didy i Ahasoerosy Mpanjaka hoe hofongorana ny Jiosy nanerana ny Fanjakana Persianina. (Est. 3:7, 13-15) Notandindomin-doza àry ny ain’i Ezra! Dia inona no nataon’ny Jiosy “tany amin’ny faritany rehetra”? Nalahelo be ry zareo sady nifady hanina, ary azo antoka hoe nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana ny tari-dalany. (Est. 4:3) Eritrereto izay tsapan’i Ezra sy ny Jiosy namany rehefa nitsimbadika ny tantara! Ireo nitetika handripaka ny Jiosy indray mantsy izao no novonoina. (Est. 9:1, 2) Mety ho nanomana an’i Ezra hiatrika an’izay fitsapana ho avy ny zavatra niainany tamin’izany. Azo inoana koa hoe vao mainka izy natoky fa mahavita miaro ny vahoakany i Jehovah.d
14. Inona no nianaran’ny anabavy iray rehefa tsapany hoe nikarakara azy i Jehovah tao anatin’ny sarotra?
14 Vao mainka isika matoky an’i Jehovah rehefa mahatsapa hoe mikarakara antsika izy ao anatin’ny sarotra. Eritrereto i Anastasia, any Eoropa Atsinanana. Niala tamin’ny asany izy satria tsy te hanao politika. Izao no notantarainy: “Sambany aho teo amin’ny fiainako vao tsy nanam-bola izany mihitsy.” Hoy koa izy: “Napetrako tamin’i Jehovah ilay izy, dia hitako hoe nikarakara be ahy izy. Tsy hatahotra aho raha sanatria tsy an’asa indray. Raha mikarakara ahy mantsy ilay Raiko any an-danitra androany, dia azo antoka hoe hanao an’izany koa izy rahampitso.”
15. Inona no nanampy an’i Ezra hatoky foana an’i Jehovah? (Ezra 7:27, 28)
15 Tsapan’i Ezra hoe teo foana ny tanan’i Jehovah. Nisaintsaina ny fotoana nanampian’i Jehovah azy i Ezra, dia azo antoka fa lasa natoky azy foana izy. Mariho ilay teniny hoe “nanampy ahy ny tanan’i Jehovah Andriamanitro.” (Vakio ny Ezra 7:27, 28.) Inenina i Ezra no nampiasa teny mitovitovy amin’izany ao amin’ilay boky mitondra ny anarany.—Ezra 7:6, 9; 8:18, 22, 31.
Rahoviana, ohatra, no vao mainka hitantsika hoe manampy antsika eo amin’ny fiainana ny tanan’Andriamanitra? (Fehintsoratra 16)e
16. Rahoviana, ohatra, no vao mainka hitantsika hoe manampy antsika ny tanan’Andriamanitra? (Jereo koa ny sary.)
16 Afaka manampy antsika i Jehovah rehefa miatrika fitsapana isika. Andao hatao hoe te haka andro tsy hiasana ianao satria te hanatrika fivoriambe, na te hanova ny ora iasanao mba ho afaka hanatrika ny fivoriana rehetra. Raha mandeha miera amin’ny mpampiasa anao ianao, dia hoatran’ny hoe manome hirika an’i Jehovah mba hahafahany mampiseho hoe tena manampy anao ny tanany. Mety ho tsara be ny vokany fa tsy araka ny ieritreretanao azy. Vao mainka àry ianao hatoky an’i Jehovah.
Ezra mitomany sy mivavaka ao amin’ny tempoly, satria kivy noho ny fahotan’ny vahoaka. Mitomany koa ny vahoaka. Mampionona an’i Ezra i Sekania ka manome toky azy hoe: ‘Mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Israely. Manohana anao izahay.’—Ezra 10:2, 4 (Fehintsoratra 17)
17. Ahoana no nampisehoan’i Ezra hoe nanetry tena izy rehefa niatrika olana? (Jereo koa ny sary.)
17 Nanetry tena i Ezra dia nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Isaky ny nahatsiaro ho tototry ny andraikitra i Ezra, dia nanetry tena ary nivavaka tamin’i Jehovah. (Ezra 8:21-23; 9:3-5) Nahita an’izany ny olona nanodidina azy, ka nanohana azy sady nanahaka ny finoany. (Ezra 10:1-4) Ary ianao? Miady saina be ve ianao hoe ahoana no ahazoanao an’izay ilainao eo amin’ny fiainana, na ahoana no hiarovanao ny fianakavianao? Aza misalasala mivavaka amin’i Jehovah.
18. Ahoana no hatao raha te hatoky kokoa an’i Jehovah?
18 Vao mainka isika hatoky an’i Jehovah, rehefa manetry tena ka mitady ny fanampiany ary manaiky ny fanohanan’ny mpiara-manompo. Diniho ny ohatr’i Erika, manan-janaka telo. Natoky an’i Jehovah foana izy, na dia niatrika fahoriana mangidy aza. Tsy azo ny zanany ary maty ny vady malalany. Tao anatin’ny fotoana fohy no nitrangan’izany. Rehefa manao jery todika an’izay nitranga izy, dia izao no nolazainy: “Tsy fantatrao mialoha hoe ahoana no hanampian’i Jehovah anao. Indraindray tsy ampoizinao mihitsy ny fomba anaovany an’izany. Nianarako hoe hay i Jehovah mampiasa ny namako mba hamaliana ny ankamaroan’ny vavaka ataoko. Tsapako hoe valim-bavaka mantsy ny zavatra nolazain-dry zareo sy nataony. Rehefa mitantara ny fiainako amin-dry zareo aho, dia mora kokoa aminy ny manampy ahy.”
MATOKIA AN’I JEHOVAH HATRAMIN’NY FARANY
19-20. Inona no ianarantsika avy amin’ireo Jiosy tsy afaka nody tany Jerosalema?
19 Misy lesona lehibe koa ianarantsika avy amin’ny Jiosy tsy afaka niverina tany Jerosalema. Tsy afa-nanoatra ny sasany taminy, satria efa antitra na narary mafy na nanana adidy ara-pianakaviana. Na izany aza, dia vonona hanohana an’izay nody tany an-tanindrazana ry zareo, ka nanome an’izay nilainy. (Ezra 1:5, 6) Toa mbola nandefa fanomezana tany Jerosalema foana ireo sisa tavela tany Babylona, na dia 19 taona teo ho eo taorian’ny nahatongavan’ireo Jiosy voalohany tany Jerosalema aza.—Zak. 6:10.
20 Voafetra koa ve ny azonao atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Matokia fa mankasitraka ny ezaka mafy ataonao i Jehovah mba hampifaliana azy. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Nangataka an’i Zakaria mpaminany i Jehovah mba hanamboatra satroboninahitra avy tamin’ny volamena sy volafotsy nalefan’ireo natao sesitany tany Babylona. (Zak. 6:11) Natao io “satroboninahitra tsara tarehy” io “mba tsy hanadinoana” an’ireo fanomezana be dia be avy amin-dry zareo. (Zak. 6:14, f.a.p.) Afaka matoky àry isika fa tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ny ezaka mafy ataontsika hanompoana azy ao anatin’ny sarotra.—Heb. 6:10.
21. Inona no hanampy antsika tsy hatahotra ny hoavy?
21 Azo antoka fa mbola hiatrika zava-tsarotra isika amin’izao andro farany izao, ary vao mainka mety hiharatsy ny fiainana amin’ny hoavy. (2 Tim. 3:1, 13) Tsy mila manahy be loatra anefa isika. Tadidio ny tenin’i Jehovah tamin’ny vahoakany tamin’ny andron’i Hagay hoe: “Manampy anareo aho ... Aza matahotra.” (Hag. 2:4, 5) Afaka matoky koa isika fa hanampy antsika i Jehovah, raha mbola manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanaovana ny sitrapony. Hiezaka isika hampihatra an’izay nianarantsika avy tao amin’ny faminanian’i Hagay sy Zakaria sy avy tamin’ny modelin’i Ezra. Hatoky an’i Jehovah foana isika amin’izay, na inona na inona olana mbola hatrehintsika amin’ny hoavy.
HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!
a Hanampy antsika hatoky kokoa an’i Jehovah ity lahatsoratra ity, rehefa sahirana ara-bola isika, na misy korontana ara-politika, na misy manohitra ny asa fitoriantsika.
b Miseho in-14 ny hoe “Jehovah Tompon’ny tafika” ao amin’ny bokin’i Hagay. Mampahatsiahy antsika sy ny Jiosy tamin’izany ireo teny ireo fa tsy voafetra ny herin’i Jehovah, ary mibaiko tafik’anjely be dia be izy.—Sal. 103:20, 21.
c Novana ny anarana sasany.
d Noho i Ezra mpanao dika soratra ny Lalàn’Andriamanitra, dia lasa natoky be ny faminanian’i Jehovah ao amin’ny Teniny koa izy, na dia talohan’ny nankanesany tany Jerosalema aza.—2 Tan. 36:22, 23; Ezra 7:6, 9, 10; Jer. 29:14.
e SARY: Rahalahy iray mangataka andro tsy hiasana mba hanatrehana fivoriambe, nefa tsy manaiky ny mpampiasa azy. Mangataka fanampiana sy tari-dalana amin’i Jehovah izy, sady miomana hiresaka indray amin’ilay mpampiasa. Mampiseho fanasana fivoriambe amin’ilay mpampiasa izy, ary hazavainy hoe mahasoa ny fampianaran’ny Baiboly. Mampiaiky an’ilay mpampiasa izany, dia manaiky ihany izy.