FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w23.11 47
  • Miezaha Hifankatia Be Foana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hifankatia Be Foana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIFANKATIA?
  • AHOANA NO AMPISEHOANTSIKA HOE MIFANKATIA ISIKA?
  • INONA NO HANAMPY ANTSIKA HIFANKATIA BE FOANA?
  • NAHOANA NO TENA ILAINA NY FITIAVANA AMIN’IZAO?
  • Ampitomboy Foana ny Fitiavanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
w23.11 47

LAHATSORATRA FIANARANA 47

Miezaha Hifankatia Be Foana

“Andao isika hifankatia foana, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.”​—1 JAONA 4:7.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

HO HITANAO ATO:a

1-2. a) Nahoana ny apostoly Paoly no nilaza fa ny fitiavana no “lehibe indrindra”? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

NIRESAKA momba ny finoana sy fanantenana ary fitiavana ny apostoly Paoly indray mandeha, dia avy eo nilaza hoe: ‘Ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo’ toetra ireo. (1 Kor. 13:13) Fa maninona izy no niteny an’izany? Satria tsy hila hino ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny tontolo vaovao intsony isika amin’ny hoavy, na hanantena hoe ho tanteraka izy ireny. Efa ho tanteraka mantsy ireny amin’izay. Mbola hila ho tia an’i Jehovah sy ny olona foana anefa isika. Raha ny marina aza, dia hitombo foana ny fitiavantsika an-dry zareo mandrakizay.

2 Tokony hanam-pitiavana foana isika, ka andao handinika fanontaniana telo. Voalohany, nahoana isika no tokony hifankatia? Faharoa, ahoana no ampisehoantsika hoe mifankatia isika? Ary fahatelo, inona no hanampy antsika hifankatia be foana?

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIFANKATIA?

3. Inona avy ny antony mahatonga antsika hifankatia?

3 Nahoana no tena ilaina ny mifankatia? Satria ny fitiavana no amantarana ny tena Kristianina. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Ankoatra izany, dia mampiray saina antsika foana ny fitiavana. Izany no nahatonga an’i Paoly hiantso ny fitiavana hoe “tady tonga lafatra mampifamatotra antsika.” (Kol. 3:14) Misy antony lehibe hafa koa anefa. Hoy ny apostoly Jaona tamin’ny mpiara-manompo taminy: “Tsy maintsy tia ny rahalahiny koa izay tia an’Andriamanitra.” (1 Jaona 4:21) Rehefa mifankatia àry isika, dia mampiseho hoe tia an’Andriamanitra.

4-5. Manomeza ohatra mampiseho hoe mifandray ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitiavantsika ny hafa.

4 Nahoana no mifandray akaiky ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy? Andao isika haka ohatra. Misy ifandraisany ny fontsika sy ny faritra hafa amin’ny vatantsika. Tsapain’ny dokotera ny hatotanantsika mba hahitana hoe mitepo haingana sa miadana ny fontsika. Manampy azy hahalala zavatra sasany momba ny fontsika mantsy izany. Ahoana no ampiharantsika an’io torolalana io amin’ny resaka fitiavana?

5 Hitantsika teo hoe lasa mahafantatra zavatra sasany momba ny fahasalaman’ny fontsika ny dokotera, rehefa mijery ny fitepon’ny fontsika. Hoatr’izany koa fa hahafantapantatra ny haben’ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika, rehefa mijery hoe hoatran’ny ahoana ny fitiavantsika ny olon-kafa. Raha hitantsika hoe somary nihena ny fitiavantsika ny mpiara-manompo, dia mety ho porofo izany hoe efa mihamihena koa ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Raha asehontsika foana kosa hoe tia ny mpiara-manompo isika, dia ho hita amin’izany fa mbola tia be an’Andriamanitra isika.

6. Nahoana isika no tokony ho mailo raha mihalefy ny fitiavantsika ny mpiara-manompo? (1 Jaona 4:7-9, 11)

6 Tokony ho mailo isika raha lasa nihena ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy. Nahoana? Satria midika izany hoe atahorana tsy hifandray tsara amin’Andriamanitra intsony isika. Niresaka an’izany mazava tsara ny apostoly Jaona, rehefa nampahatsiahy antsika hoe: “Izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:20) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa “mifankatia” ihany isika vao mampifaly an’i Jehovah.​—Vakio ny 1 Jaona 4:7-9, 11.

AHOANA NO AMPISEHOANTSIKA HOE MIFANKATIA ISIKA?

7-8. Ahoana, ohatra, no ampisehoantsika hoe mifankatia isika?

7 Miverimberina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay didy hoe “mifankatiava.” (Jaona 15:12, 17; Rom. 13:8; 1 Tes. 4:9; 1 Pet. 1:22; 1 Jaona 4:11) Toe-po anefa ny fitiavana, ka tsy misy olona mahita an’izay any am-pontsika any. Ahoana àry no ampisehoantsika hoe tiantsika ny hafa? Amin’izay lazaintsika sy ataontsika.

8 Betsaka ny fomba azontsika ampisehoana amin’ny rahalahy sy anabavintsika hoe tiantsika ry zareo. Ireto misy ohatra vitsivitsy: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy.” (Zak. 8:16) “Mihavàna tsara foana ianareo.” (Mar. 9:50) “Aoka ianareo no ho voalohany hanome voninahitra ny hafa.” (Rom. 12:10) “Raiso tsara ... ny hafa.” (Rom. 15:7) “Mahaiza foana ... mifamela heloka.” (Kol. 3:13) “Miezaha foana hifanampy rehefa misy zava-tsarotra manavesatra.” (Gal. 6:2) “Miezaha foana ... hifampionona.” (1 Tes. 4:18) “Miezaha ... hifanampy foana.” (1 Tes. 5:11) Ary “mifampivavaha.”​—Jak. 5:16.

Sary: 1) Anabavy iray mivavaka. 2) Mihaino tsara izy rehefa mamoaka ny ao am-pony ny anabavy iray hafa. 3) Miresaka amin’ny alalan’ny video amin’ny anabavy be taona iray marary izy. 4) Manoratra taratasy kely izy ary asiany fanomezana miaraka aminy. 5) Miara-misakafo amin’ny anabavy iray tapa-tanana izy.

Ahoana no anampiantsika mpiara-manompo manana olana? (Fehintsoratra 7-9)

9. Nahoana ilay hoe mampionona ny hafa no fomba lehibe ampisehoantsika fa tiantsika ry zareo? (Jereo koa ny sary.)

9 Andao isika hiresaka ny iray amin’ireo fomba anehoana fitiavana notanisaina teo amin’ny fehintsoratra teo aloha. Hodinihintsika ilay fampirisihan’i Paoly hoe “miezaha foana ... hifampionona.” Nahoana ilay hoe mampionona ny hafa no fomba lehibe ampisehoana fitiavana? Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa ilay teny hoe ‘mampionona’ nampiasain’i Paoly, dia midika hoe ‘mijoro eo anilan’ny olona iray mba hampaherezana azy rehefa mandalo fitsapana mafy izy.’ Rehefa mampionona mpiara-manompo manana olana àry ianao, dia manampy azy hiarina sy handeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana foana. Isaky ny miombom-pihetseham-po amin’ny rahalahy na anabavy iray ianao, dia mampiseho hoe tia azy.​—2 Kor. 7:6, 7, 13.

10. Inona no ifandraisan’ny hoe mangoraka sy mampionona?

10 Mifandray akaiky ny hoe mangoraka sy mampionona. Nahoana? Rehefa be fangorahana ny olona iray, dia vonona hampionona ny hafa sady hiezaka hanamaivana ny fahoriany. Mangoraka aloha izany isika, dia avy eo mampionona. Mariho ny fomba nampifandraisan’i Paoly ny fangorahan’i Jehovah sy ny fampiononana omeny. Nilaza izy hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah. (2 Kor. 1:3) Antsoina hoe “Rain’ny fangorahana” izy satria avy aminy io toetra io. Ny fangorahana indray no mahatonga azy hampionona antsika “amin’ny fahoriana rehetra mahazo antsika.” (2 Kor. 1:4) Mamelombelona an’izay mangetaheta ny rano madio avy amin’ny loharano. Hoatr’izany koa fa mamelombelona sy mampionona an’izay malahelo i Jehovah. Inona no hanampy antsika hangoraka sy hampionona ny hafa hoatran’i Jehovah? Azo atao, ohatra, ny miezaka hanana toetra sasany. Inona avy izany?

11. Inona koa ny toetra tsy maintsy iezahantsika ananana mba ho tia ny hafa foana isika ka hampionona azy? (Kolosianina 3:12; 1 Petera 3:8)

11 Inona no hanampy antsika ho tia foana an’ireo rahalahy sy anabavy, amin’izay isika hahavita ‘hiezaka foana hifampionona’ isan’andro? Mila mianatra miara-ory isika, mifankatia hoatran’ny mpirahalahy, ary ho tsara fanahy. (Vakio ny Kolosianina 3:12; 1 Petera 3:8.) Nahoana no hanampy antsika ireo toetra ireo? Rehefa lasa toetrantsika ilay hoe mangoraka sy ny toetra hafa mifandray amin’izany, dia tsy ho vitantsika mihitsy ny hijery fotsiny rehefa misy olona ory fa hampionona azy isika. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany. Ny olona tsara dia mamoaka an’izay zavatra tsara tehiriziny ao am-pony.” (Mat. 12:34, 35) Anisan’ny fomba lehibe ampisehoantsika ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy mila fanampiana àry ilay hoe mampionona azy.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HIFANKATIA BE FOANA?

12. a) Nahoana isika no tokony ho mailo foana? b) Inona izao ny fanontaniana hovaliantsika?

12 Tiantsika rehetra raha ‘mifankatia foana’ isika. (1 Jaona 4:7) Tsara hotadidintsika anefa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe “hihalefy ny fitiavan’ny olona maro.” (Mat. 24:12) Marina aloha fa tsy nilaza izy hoe tsy hifankatia intsony ny ankamaroan’ny mpianany. Tokony ho mailo foana anefa isika, sao hisy vokany amintsika ilay toe-tsain’ny olona tsy manam-pitiavana manodidina antsika. Andao àry hodinihintsika ny valin’ity fanontaniana lehibe ity: Misy fomba ahalalana ve hoe mbola tia be an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika?

13. Ahoana no ahitana hoe be fitiavana isika na tsia?

13 Anisan’ny fomba iray amantarana ny haben’ny fitiavantsika ny mandinika hoe ahoana no fomba hiatrehantsika ny zava-mitranga sasany eo amin’ny fiainana. (2 Kor. 8:8) Iray amin’izany ilay noresahin’ny apostoly Petera. Hoy izy: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava lalina, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Pet. 4:8) Ho hita àry hoe be fitiavana isika na tsia, rehefa mampiseho toetra ratsy ny hafa na mandratra ny fontsika.

14. Inona ilay karazana fitiavana ilaintsika, araka ny 1 Petera 4:8? Hazavao amin’ny ohatra.

14 Andao hodinihintsika akaiky io tenin’i Petera io. Miresaka an’ilay karazana fitiavana tokony hananantsika ny tapany voalohany amin’ny andininy faha-8. Inona izany? ‘Fitiavana lalina.’ Midika ara-bakiteny hoe “miitatra” ilay teny nampiasain’i Petera tamin’ilay hoe “lalina.” Miresaka ny mety ho vokatr’ilay fitiavana lalina kosa ny tapany faharoa amin’ilay andininy. Manarona ny fahotan’ireo rahalahintsika izy io. Azo oharina amin’ny lamba afaka miitatra ny fitiavantsika. Toy ny hoe raisintsika amin’ny tanana anankiroa ny fitiavantsika, dia itarintsika ary tsy ajanontsika raha tsy mahavita manarona “fahotana maro be”, fa tsy hoe fahotana iray na roa fotsiny. Fomba hafa ilazana an’ilay hoe mamela heloka ilay hoe manarona. Manarona ny toetra ratsy sy ny zavatra mandratra fo ataon’ny olona àry ny fitiavana, hoatran’ny lamba manarona tasy ihany.

15. Hahavita hanao inona isika raha tia be ny mpiara-manompo? (Kolosianina 3:13)

15 Tokony ho tia be an’ireo rahalahy sy anabavy isika, amin’izay mahavita mamela ny tsy mety ataony, na dia mitaky ezaka be aza izany indraindray. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Rehefa mahavita mamela an-dry zareo anefa isika, dia ho hita hoe be fitiavana sy te hampifaly an’i Jehovah. Inona koa no hanampy antsika hamela ny hafa rehefa mahasorena antsika ny toetrany na manao fahadisoana izy?

Sary kely mampiseho rahalahy iray mitazona telefaonina. Misy sary maromaro ahitana rahalahy sy anabavy vitsivitsy ao amin’izy io, dia esoriny ny sary iray. Natao pirinty kosa ny sary iray, ary efa tsara petraka eo ambony talantalana sady efa ao anaty fitoerany.

Tehirizintsika ny sary tsara indrindra dia esorintsika ny ambiny. Hoatr’izany koa fa mankamamy an’izay fahatsiarovana tsara momba ny mpiara-manompo amintsika isika, fa tsy manaiky hifantoka amin’izay ratsy (Fehintsoratra 16-17)

16-17. Inona koa no hanampy antsika hamela ny fahotana kely ataon’ny hafa? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo koa ny sary.)

16 Mifantoha amin’ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavy, fa tsy amin’ny toetra ratsiny. Diniho izao: Andao hatao hoe nanao fety kely niaraka tamin’ny rahalahy sy anabavy vitsivitsy ianao. Nahafinaritra be ilay izy, dia niaraka naka sary ianareo rehefa hifarana ilay fety. Naka sary roa fanampiny aza ianao sao ratsy ilay voalohany. Lasa manana sary telo àry ianao. Hitanao anefa hoe misy rahalahy miketrona ao amin’ilay sary iray. Dia hataonao ahoana iny sary iny? Esorinao ilay izy, satria mbola manana sary roa hafa ianao, ary mitsikitsiky daholo ny olona ao amin’ilay izy, anisan’izany ilay rahalahy teo.

17 Andao hoharintsika amin’ilay sary notehirizintsika ny zavatra fidintsika hotadidina. Mahafinaritra antsika matetika ny mitadidy an’ireo fotoana mamy niarahantsika tamin’ny rahalahy sy anabavy. Ahoana anefa raha nisy nilaza na nanao zavatra nahasosotra antsika tamin’ny iray tamin’ireny fotoana ireny? Ahoana no hataontsika? Maninona raha esorina ao an-tsaina izany, hoatran’ny nanesorantsika an’ilay sary iray? (Ohab. 19:11; Efes. 4:32) Afaka manadino ny fahotana kely nataon’ny mpiara-manompo amintsika isika, satria be dia be ny fotoana mamy niarahantsika taminy. Ireny fotoana ireny no tiantsika hotadidina sy ankamamina.

NAHOANA NO TENA ILAINA NY FITIAVANA AMIN’IZAO?

18. Inona ny hevi-dehibe momba ny fitiavana nodinihintsika tato?

18 Nahoana isika no tokony hifankatia be foana? Hitantsika teo hoe rehefa asehontsika fa tia an’ireo rahalahy sy anabavy isika, dia ho hita hoe tia an’i Jehovah. Dia ahoana no ampisehoantsika fa tiantsika ny mpiara-manompo? Afaka manao an’izany, ohatra, isika rehefa mampionona an-dry zareo. Hahavita ‘hifampionona foana’ isika raha mangoraka. Ary inona no hanampy antsika hifankatia be foana? Mila manao izay fara herintsika isika mba hamelana ny fahadisoan’ny hafa.

19. Nahoana no amin’izao isika no tena tokony hifankatia?

19 Amin’izao indrindra isika no tokony hampiseho hoe mifankatia. Nahoana? Mariho ilay tenin’i Petera hoe: ‘Efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra. Aoka àry ianareo hifankatia lalina.’ (1 Pet. 4:7, 8) Inona no ampoizintsika hoe hitranga rehefa mihamanakaiky ny faran’izao tontolo ratsy izao? Izao no nolazain’i Jesosy momba ny mpanara-dia azy: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mat. 24:9) Mila miray saina foana isika, amin’izay mahavita tsy mivadika na dia halan’ny olona aza. Tsy hahavita hampisara-bazana antsika i Satana, satria mampifandray akaiky antsika ny fitiavana, ilay “tady tonga lafatra mampifamatotra antsika.”​—Kol. 3:14; Fil. 2:1, 2.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona avy ny antony itiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavintsika?

  • Ahoana no ampisehoantsika hoe tiantsika ny mpiara-manompo amintsika?

  • Nahoana no ho hita hoe be fitiavana isika raha vonona hamela heloka?

HIRA 130 Andao Hifamela

a Amin’izao indrindra isika no tokony hampiseho hoe tiantsika ny rahalahy sy anabavintsika. Nahoana isika no milaza an’izany? Ary ahoana no ampisehoantsika kokoa hoe mifankatia isika?

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara