Fampidirana ny Fizarana 11
Tantara ao amin’ny Soratra Grika Kristianina no ato amin’ity fizarana ity. Teraka tao amin’ny fianakaviana mahantra i Jesosy, ary tao amin’ny tanàna kely anankiray ry zareo no nipetraka. Mpandrafitra ny dadany, ary niara-niasa izy mianaka. I Jesosy no hamonjy ny olombelona, sady nofidin’i Jehovah ho Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra. Raha manan-janaka ianao, dia hazavao hoe nofidin’i Jehovah tsara ny fianakavian’i Jesosy, ary narovany izy rehefa saika hamono azy i Heroda. Tsy maintsy tanteraka foana àry ny fikasan’i Jehovah. I Jaona kosa no nasainy nampiomana hoe ho avy i Jesosy. Hazavao koa hoe mbola kely i Jesosy dia efa tia ny tenin’i Jehovah.