NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Fantatr’i Jehovah Izay Ilaintsika
Manome antsika sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety” ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Mt 24:45) Hita avy amin’izany hoe fantatr’i Jehovah izay ilaintsika, satria izy no mitarika an’io mpanompo io. Anisan’ny manaporofo an’izany ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy ny fivoriana andavanandro.
JEREO ILAY VIDEO HOE TATITRA AVY AMIN’NY KOMITIN’NY FAMPIANARANA 2017, ARY VALIO IRETO:
Tena tiantsika ny fivoriambentsika sady tonga amin’ny fotoana mety. Iza no tokony hoderaintsika noho izany, ary nahoana?
Oviana no manomboka ny fanomanana ny fivoriambe iray?
Ahoana no isafidianana an’ireo hevitra horesahina amin’ny fivoriambe?
Inona avy ny fanomanana mila atao?
Ny fomba fianatra amin’ny Sekolin’i Gileada no ampiasaina rehefa mikarakara ny fivoriana andavanandro. Hazavao.
Sampan-draharaha samihafa no miara-miasa rehefa manomana ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Inona avy no ataon’izy ireo?
Inona no tsapanao noho ireo sakafo ara-panahy omen’i Jehovah antsika?