NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Miezaha ho Mpiasa Tena Mahay
Mahay mampiasa ny fitaovana ananany ny mpandrafitra za-draharaha. Mahay mampiasa an’ireo boky na zavatra hafa anisan’ny Fitaovana Fampianarana koa ny “mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.” (2Ti 2:15) Misy sasany amin’ireny fitaovana ireny etsy ambany. Valio ireto fanontaniana ireto, mba hahitanao raha hainao tsara ny mampiasa azy ireo:
MIHAINOA AN’ANDRIAMANITRA DIA HIAINA MANDRAKIZAY IANAO
Natao ho an’iza io bokikely io?—mwb17.03 5 § 1-2
Ahoana no ampiasana azy io rehefa mampianatra Baiboly?—km 7/12 3 § 6
Inona ny boky mbola mila ianaran’ilay mpianatra, raha te hahafeno fepetra hatao batisa izy?—km 7/12 3 § 7
VAOVAO TSARA NATAO HO ANAO!
Inona no tsy mampitovy an’io bokikely io amin’ny boky fianarana hafa?—km 3/13 4-5 § 3-5
Inona no tokony hiezahanao hatao rehefa manolotra azy io?—km 9/15 3 § 1
Ahoana no ampiasana azy io rehefa mampianatra Baiboly?—mwb16.01 8
Rahoviana no tokony hafindra amin’ny boky Ianarana ny fianarana?—km 3/13 6 § 10
INONA NO AZONAO IANARANA AO AMIN’NY BAIBOLY?
Ahoana no tokony hampiasana ny famintinana sy ny fanamarihana?—mwb16.11 5 § 2-3
IZA NO TENA MANAO NY SITRAPON’I JEHOVAH?
Rahoviana ianao no tokony hampiasa an’io bokikely io?—mwb17.03 8 § 1
Ahoana no atao rehefa miara-midinika azy io amin’ny mpianatra Baiboly?—mwb17.03 8, efajoro